Madatopinfo

 Flash Info

FAMORONANA ARA-JAVAKANTO: Tanora 6 mianadahy no nisitraka tohana ara-bola

FAMORONANA ARA-JAVAKANTO: Tanora 6 mianadahy no nisitraka tohana ara-bola

FAMORONANA ARA-JAVAKANTO: Tanora 6 mianadahy no nisitraka tohana ara-bola
janvier 27
11:34 2023

Mahasarika tanora malagasy amin’izao vanim-potoana izao ny zavakanto izay amin’ny endriny maro samy hafa. Isan’ny olana sedrain’izy ireo anefa ny tsy fahampian’ny sehatra hahafahan’izy ireo mamoaka ny talentany sy ny fahaiza-manaony, eo ihany koa ny eo amin’ny lafiny hoenti-manana. Iray amin’ireo tanora mifototra amin’izay zava-zanto izay ho antom-pivelomana i Ratovo Andriantseheno Fitiavana, fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto azy hoe: Ratovo Fitiavana. Tovolahy malagasy vao herotrerony tokotoa i Ratovo Fitiavana ary sary sikotra vita amin’ny vy no hoentiny maneho ny kantony. Raha hosodoko, sary sikotra kosa ny an’i Richianny Ratovo, olana hoazy ny vola hanombohana ny tetikasany. manam-paniriana hanangana « atelier » i Richianny Ratovo hahafahany miasa malalaka fa tsy ao amin’ny efitranony intsony. Vinavinan’ity tovovavy ity ihany koa ny hidina ifotony amin’ireny toerana nipoiran’ny sary sikotra irony mba hitrandrahany misimisy kokoa ny fahaiza-manaony. « Manana ny lanjany izany mpahay sy mpandalina zavakanto izany. Asa azo atao foto-pivelomana ihany koa ity sehatra ity raha voatrandraka tsara eto amintsika. Ankoatra izay, isan’ny singa mampandroso ny firenena iray ny fampiroboroboana sy fanomezan-danja ny kanto sy ny kolontsaina », hoy ny fanazavan’i Miora Rakotoarimanana, tompon’andraikitra eo anivon’ny Hakanto Contemporary. Manoloana izany indrindra dia misy ny hetsika mitondra ny lohahevitra hoe: « Demain sera mien » izay miditra amin’ny andiany faharoa ankehitriny, nifantoka tamin’ny fifantenana ireo tetikasan’ny mpanakanto tanora. Nampahafantarina ny alakamisy 26 Janoary teny amin’ny Hakanto Cotemporary, Gallery Alhambra Ankadimbahoaka ireo tanora 6 mianadahy voafantina tamin’ireo 40 nandray anjara manerana ny Nosy. Nisitraka lelavola 7 tapitrisa ariary avy moa izy 6 mianadahy ireo hoentiny mampitombo, manitatra sy mandalina hatrany ny zavakantony. Tsiahivina fa ny Hakanto Cotemporary izay tohanan’ny Fonds Yavar Houssen rahateo manome lanja sy mametraka ny toeran’ny kolontsaina ary mampiroborobo sy manandratra izany hatrany amin’ny alalan’ireo hetsika maro efa notanterahana sy izay mbola hoavy.

Mickah R.

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930