Madatopinfo

 Flash Info

ADY AMIN’NY COVID-19: Hentitra ny fanaraha-maso eny amin’ny Boriborintany fahaefatra

ADY AMIN’NY COVID-19: Hentitra ny fanaraha-maso eny amin’ny Boriborintany fahaefatra

ADY AMIN’NY COVID-19: Hentitra ny fanaraha-maso eny amin’ny Boriborintany fahaefatra
février 03
05:55 2021

Tsikaritra tato anatin’ny herinandro nisesisesy izay fa niverina nihamaro indray ny isan’ny olona mitondra ny valan’aretina Covid-19 eto amin’ny Faritra Analamanga. Manoloana izany indrindra, dia mitohy ary hentitra kokoa ny eo anivon’ny Firaisana fahaefatra ny amin’ny fanaraha-maso ny olona amin’ny fanajana ireo fepetra ankapobeny hiadiana amin’izany areti-mandoza izany. Isan’izany ny fanasana tanana amin’ny rano madio sy savony eo am-pidirana, ny fanaovana arovava orona, ny fanajana ny elanelana. Maro tokoa mantsy ny olona no mifamezivezy ao amin’ny Boriborintany fahaefatra isan’andro ka izay no antony handraisana fepetra isan-karazany. Nanamafy ny Delegem-panjakana ao amin’ny Boriborintany fahaefatra, Rasoarimalala Marie Joséphine fa entanina ary ampirisihana hatrany ny olon-drehetra hanaja ny fandaminana apetraka eo anivon’ny Boriborintany tarihany. Ny olona rahateo ihany koa dia manaiky antsakany sy andavany ny lamina izay napetraka hiarovana ny fahasalaman’ny tsirairay sy tsy hiparitahan’ny aretina. Raha ny fantatra, efa natomboka amin’ny 7 ora maraina ny ora fandraisana ao an-toerana hisorohana ny mety filaharambe sy fitangoronana.
Ankoatra izay, nambaran’ity Delegem-panjakana ity ihany koa fa miasa mafy ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny alalan’ny Firaisana didiany na dia eo aza ny Covid-19. Mbola mitohy mantsy ny fanadiovana eny anivon’ny Fokontany ao amin’ny Boriborintany fahaefatra, mandroso ihany koa ny asa lalakely sy ny fanadiovana ny tatatra izay iarahan’ny CUA sy ny mpiara-miombon’antoka.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930