Madatopinfo

 Flash Info

HOPITALY BEFELATANANA: Hisitraka ny fandaharan’asa « Miahy Jovena »

HOPITALY BEFELATANANA: Hisitraka ny fandaharan’asa « Miahy Jovena »

HOPITALY BEFELATANANA: Hisitraka ny fandaharan’asa « Miahy Jovena »
août 28
09:27 2020

Tsy vitsy ny olona manana aretin’ny taovam-pandevonan-kanina no miditra sy manaraka fitsaboana eny amin’ny Hopitaly Joseph Raseta Befelatanana. Ny olana nefa, misy ny fahasimbana sy tsy fahampian’ny fitaovana entina hitsaboana io aretina io eo anivon’ny sampan-draharaha Gastro-Entérologie ao amin’ity hopitaly ity. Manoloana izany olana izany, nanolotra fandaharan’asa antsoina hoe: « Miahy Jovena » izay sahanin’ny Fondation Axian. Ny orinasa Jovena ao amin’ny Vondrona Axian kosa no manohana ara-bola ny « Miahy Jovena », fandaharan’asa izay haharitra 5 taona. Hahazo tombony hisitraka io fandaharan’asa io amin’ity taona 2020 ity araka izany ny Hopitaly Befelatanana (HJRB). Araka ny fampitam-baovao, nanolotra fitaovam-pitsaboana maro sady manaraka ny fenitra ara-pahasalamana hamenoana ny tsy ampy ho an’ny sampan-draharaha Gastro-Entérologie izay tarihin’i Profesora Rado Ramanampamonjy ny Fondation Axian: « 2 moniteurs-5 paramètres, 2 aspirateurs chirurgicaux, 3 chariots à instruments pour soins infirmers, 2 chariots à dossiers-malades, 4 pousses seringue électriques, 4 détendeurs d’oxygène avec humidificateur ».
Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eo anivon’ity sampan-draharaha Gastro-Entérologie ao amin’ny HJRB ity ary hojerena manokana ny momba ny herinaratra. Ny tanjon’io fandaharan’asa io moa ny hanamorana ny fisitrahan’ireo mponina marefo amin’ny tolotra ara-pahasalamana sy fahadiovana eto Madagasikara. Mizara telo mazava tsara mantsy ny zana-pandaharan’asa ao amin’ny « Miahy Jovena », dia ny fanavaozana ny hopitaly, ny fametrahana « clinique mobile » hitsaboana ny vehivavy sy ny zaza vao teraka ary ny fanamboarana fotodrafitrasa eo amin’ny lafiny rano fisotro madio.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930