Madatopinfo

 Flash Info

INSTAT : Tokantrano miisa 16.896 no hanatanterahana ny EPM21 eto Madagasikara

INSTAT : Tokantrano miisa 16.896 no hanatanterahana ny EPM21 eto Madagasikara

INSTAT : Tokantrano miisa 16.896 no hanatanterahana ny EPM21 eto Madagasikara
novembre 23
16:31 2021

Notontosaina ny talata 23 Novambra teny amin’ny Institut National de la Statistique de Madagascar (INSTAT) Anosy ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny « Enquête Permanante auprès des Ménages » (EPM21) na ny fanadihadiana maharitra eo anivon’ny tokantrano. Nnanatrika izany ny avy amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) sy ny solontenan’ny mpiara-miombon’antoka.
Araka ny fampahafantarana nataon’ny eo anivon’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny Antotanisa, miisa 16.896 no tokantrano hanaovana ity fanadihadiana ity manerana ny Faritra 23 eto Madagasikara ary haharitra 4 volana ny fanatanterahana izany. Hikirakira fitaovana avo lenta manaraka ny teknolojia (tablette) ny INSTAT7 eo am-panatanterahana ny EPM21 ary vinavinaina amin’ny taona 2022 no ahafantarana ny vokatra. Araka ny fantatra, mahatratra 280 ireo olona mpisehatra amin’ny « Enquête Permanante auprès des Ménages » ary hisandrahaka ka hizara vondrona 70 izy ireo manerana ny faritra rehetra. Nohamafisin’ny INSTAT fa efa nanaraka sivana sy fiofanana avokoa ireo voasokajy hanatonsa ny asa mandritra izany ary mitondra « badge » misy ny mombamomba ny tsirairay amin »ny ankapobeny. Hamantarana ny fivoaran’ny fari-piainan’ny tokantrano Malagasy manerana ny faritra 23, ahafahana mamaritra ny endriky ny fahantrana, ireo kosa no isan’ny antony hanatanterahan’ny MEF amin’ny alalan’ny INSTAT ity EPM21 ity. Manentana ny tokantrano izayandray ireo mpanao fanadihadiana ireo araka izany ny Ivontoeram-pirenena misahana ny Antotanisa mba handray ireo olona voatokana ireo, ary hamaly ara-dalana ny fanontaniana izay hapetraka.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031