Madatopinfo

 Flash Info

FIHAONAMBE IRAISAMPIRENENA TANY ROSIA: Nandray anjara ny solontenan’ny CENI Madagasikara

FIHAONAMBE IRAISAMPIRENENA TANY ROSIA: Nandray anjara ny solontenan’ny CENI Madagasikara

FIHAONAMBE IRAISAMPIRENENA TANY ROSIA: Nandray anjara ny solontenan’ny CENI Madagasikara
mars 20
07:24 2024

Nandray anjara tamin’ny fihaonambe iraisampirenena momba ny fifidianana masi-mandidy sady fototry ny fiandrianana no manaraka ny fenitra iraisampirenena na « Conférence internationale sur la souveraineté électorale et les normes internationales » izay notanterahana tany Moscou, renivohitr’i Rosia ny 14 sy 15 martsa lasa teo ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana eto Madagasikara.
Ny Mpampakateny voalohany Soava Andriamarotafikatohanambahoaka sy ny Tonia Mpanatanteraka Adriamatoa Tseheno Rakotondrasoa sy ny Tonia mpanatanteraka Ntseheno Rakotondrasoa eo anivon’ny CENI no nisolotena an’i Madagasikara tany an-toerana nandritra io fihaonambe izay nokarakarain’ny Commission électorale centrale de la Fédération de Russie io. Iray amin’ny endrika anehoan’ny mpifidy rosiana ny maha-masi-mandidy azy amin’ny fireneny ny fandraisany anjara mivantana amin’ny fifidianana izay hisahana ny raharaham-panjakany, hatrany an-tampony ka hatrany amin’ny rafitra isan’ambaratonga.
Araka ny vaovao voaray, ankoatra io fihaonambe iraisampirenena io dia nanara-maso ny fizotry ny fifidianana Filohampirenena rosiana koa ny avy amin’ny CENI Madagasikara ny 15 sy 16 ary 17 martsa lasa teo. Tsy nijanona tao Moscou renivohitra ihany ireo solontenan’i Madagasikara ireo fa nitsidika hatrany ambanivohitra izay manodidina ny 200 kilaometatra ny tanàna.
Raha ny fantatra, miseho amin’ny endrika roa no entin’ny mpifidy rosiana manatanteraka ny adidiny. Misy ny amin’ny alalan’ny bileta tokana toy ny aty Madagasikara, ary efa azon’izy ireo atao ihany koa ny manatanteraka ny fifidianana ampitain-davitra amin’ny alalan’ny aterineto na « vote à distance électronique », izany hoe, tsy voatery manantona any amin’ny biraom-pifidianana ny mpifidy.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930