Madatopinfo

 Flash Info

IFC SY ORANGE MONEY: Hahazo tombony amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny vehivavy sy ny mponina any ambanivohitra

IFC SY ORANGE MONEY: Hahazo tombony amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny vehivavy sy ny mponina any ambanivohitra

IFC SY ORANGE MONEY: Hahazo tombony amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny vehivavy sy ny mponina any ambanivohitra
mars 22
07:13 2021

Tontosa ny herinandro lasa ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraham-miasa teo amin’ny International Finance Corporation (IFC) sy ny Orange Money Madagascar izay ao anatin’ny Vondrona Orange. Niompana amin’ny fanohanana ny orinasa amin’ny fanitarana ny servisy ho an’ny « mobile money » eto Madagasikara izany fifanarahana izany. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fampidiram-bola amin’ny firenena indrindra ny vehivavy sy ny olona monina any ambanivohitra. Ity fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ity araka izany dia hanampy amin’ny fanaparitahana izany servisy izany mba ahazoana mpanjifa vaovao. Hetsika sy paikady manokana ihany koa no hovolavolaina mba ahafahan’ny vehivavy bebe kokoa mampiasa ny servisy.
Raha ny fantatra, ity fiaraha-miasan’ny IFC sy ny Orange Money ity dia tafiditra amin’ny ezaky ny Banky Iraisampirenena hanatsarana ny « mobile money » sy hampiroboroboana ny harinkarena eto Madagasikara. Manamafy izany ny Tale mpitantana ny Orange Money Madagascar, Mathieu Berthlot: « Ahafahana mitondra ireo vahaolana tena ilaina amin’ny olon-drehetra, mivantana sy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny mpitantana sy ny sehatra tsy miankina izao fiaraha-miasa izao ». Ny solontenan’ny IFC ho an’ Madagasikara, Marcello Ayo ihany koa dia nanambara fa ny fampandrosoana haingana ny mobile money sy ny servisy ara-bola nomerika dia fotoana tena hanamafisana ny fampidirana vola eto Madagasikara, indrindra ho an’ny mponina any ambanivohitra sy faritra lavitra.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930