Madatopinfo

 Flash Info

NOELY MIZARA FIFALIANA : Mpianatry ny EPP ao Alasora manodidina ny 4.000 no nisitraka fanomezana

NOELY MIZARA FIFALIANA : Mpianatry ny EPP ao Alasora manodidina ny 4.000 no nisitraka fanomezana

NOELY MIZARA FIFALIANA : Mpianatry ny EPP ao Alasora manodidina ny 4.000 no nisitraka fanomezana
décembre 21
08:04 2023

Toy ny isan-taona nandritra izay 3 taona nisesy izay, mahatsiaro manokana ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra ny Kaominina ambanivohitra Alasora izay tarihan’ny Ben’ny Tanàna Jimmy Heliasina Randriantsoa amin’izao ankatokiny fetin’ny Noely sy ny fandraisana ny taona vaovao 2024 izao.
Hitsinjovana ireo ray aman-dreny tsy manana fahefa-mividy kilalao, nozaraina elokely misy sarina horonantsary miaina maroloko irony ho an’ny ankizivavy ary baolina kosa ho an’ny zazalahy. « EPP miisa 12 ao anatin’ny Kaominina Alasora izay ahitana mpianatra manodidina ny 4.000 no nisitraka fanomezana tamin’ity taona ity. Tanjona ny hamolavola sahady ny sain’ny zazalahy hilomano anaty fanatanjahantena mba tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina any aoriana any, ho an’ny zazavavy kosa mba ho mendrika tahaka ny printsesy eo anivon’ny fiaraha-monina », hoy ny Ben’ny Tanàna voafidy tao Alasora, Jimmy Heliasina Randriantsoa.
Tao amin’ny Kianja maitso no nanatanterahana ny « Noely mizara fifaliana » ho an’ny mpianatry ny EPP Ambatomalaza, Alasora, Amboaroy ary Miadana. Ho an’ny EPP Ambohidrazaka sy Mahatsinjo kosa tao amin’ny Terrain synthétique. Natambatra tao amin’ny EPP Ampahibato ny an’ny EPP Ambohimarina, raha tao amin’ny FJKM Ambodivondava kosa ny mpianatry ny EPP Mendrikolovana sy Ambodivondava, EPP Ankadiaivo ary EPP Mahitsy. Naneho ny hafaliana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nisitraka fanomezana tamin’ny alalan’ny fisaoran’izy ireo ny Kaominina Alasora.
Ankoatra izay, ahitana ravaka miavaka manamarika ny fetin’ny Noely ihany koa eo ivelan’ny Kaominina sy ny manodidina izay azon’ny rehetra tsidihana sy hakàna sary fahatsiarovana amin’izao fety izao.
Tsy adinon’ny Ben’ny Tanàna moa no nirary fety sambatra feno fifaliana ho an’ny mponina Alasora sy ny vahoaka malagasy.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031