Madatopinfo

 Flash Info

ESTIIM’ MIZARA ARENDRINA: Nisitraka fanomezana isan-karazany ny AKAMA 67Ha

ESTIIM’ MIZARA ARENDRINA: Nisitraka fanomezana isan-karazany ny AKAMA 67Ha

ESTIIM’ MIZARA ARENDRINA: Nisitraka fanomezana isan-karazany ny AKAMA 67Ha
juin 15
08:11 2022

Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fetim-pirenena izao, ho fampifalifaliana ny ankizy eo anivon’ny Akanin’ny marenina (AKAMA) 67 Ha, nanolotra fanomezana maro ho azy ireo ny mpianatra taona voalohany amin’nny taom-pianarana 2021-2022 ao amin’ny ESTIIM’ (Engineering School of Tourism, Informatics, Interpretership and Management), ny talata 14 jona. Tamin’ny alalan’ny tetikasa ara-tsosialy sy kolontsaina an’ny vondrona « intersaison » no nanatanterahan’ izy ireo io hetsika io izay antsoina hoe: « ESTIIM’ mizara arendrina ». Ny mpianatra L1 ihany moa no nikarakara sy nitady mpanohana amin’ny fanatontosana ny hetsika. Fanomezana toy ny vatomamy, bisky, ranomboakazo arendrina no nozaraina tamin’ny ankizy ao amin’ny AKAMA nandritra izany. Ankoatra izany, nisy ihany koa ny dihy izay niarahan’ny roa tonta ary niaraka nanamboatra sainam-pirenena ihany koa izy ireo. Afa-po ireo ankizy nahazo fanomezana, afaka ny hanao fety sambatra tahaka ny ankizy rehetra ihany koa izy ireo. Tsy vao voalohany akory ity hetsika ity fa efa misy hatrany izany isan-taona, ny ESTIIM’ rahateo no sekoly mpiahy ny Akanin’ny marenina 67Ha. Isan’ny mampiavaka ny sekoly ambony tsy miankina ESTIIM’ moa ny fanaovana asa sosialy ivelan’ny sekoly ary tafiditra amin’ny fandaharam-pianarana mihitsy izany ka hahazoana naoty. Tsy mihonona fotsiny amin’ny fianarana ao an-dakilasy araka izany ny mpianatra ao aminy fa ampianarina hikaroka sy hahay hiara-monina sahady dieny mbola any amin’ny taona voalohany. Mbola maro ihany koa ny tetikasa hotanterahan’ny mpianatra isan-tsokajiny amin’ity taona ity.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930