Madatopinfo

 Flash Info

DISTRIKA MORAMANGA: Tokantrano 145 nahazo tohana ara-tsakafo

DISTRIKA MORAMANGA: Tokantrano 145 nahazo tohana ara-tsakafo

DISTRIKA MORAMANGA: Tokantrano 145 nahazo tohana ara-tsakafo
juin 19
06:12 2020

Isan’ireo Distrika ahitana olona maro mitondra ny valanaretina covid-19 ny ao amin’ny Distrikan’i Moramanga. Na dia izany aza anefa dia tsy miady irery izy ireo fa naneho ny ny fahavononany hanohana azy ireo ny Opération Smile eto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny fanomezana tohana ara-tsakafo ireo ankohonana nifanerasera mivantana ireo olona nitondra ny valanaretina coronavirus izany fanampiana izany ka ny alarobia 17 Jona lasa teo no nanatanterahana ny fizarana tany an-toerana. Tamin’ity andiany ity, fanampiana toy ny vary sy legioma ary menaka no natolotry ny Opération Smile niaraka tamin’ny Office National de la Nutrition (ONN) izay notsinjaraina tamin’ny tokantrano 145 ao amin’ny Distrika Moramanga. Raha ny fampitam-baovao voaray, samy nahazo vary 30 kilao sy legioma milanja 12 kilao ary menaka fandrahoan-tsakafo 2 tavoahangy avy ireo tokantrano tsirairay ireo ary tokony aharitra tapa-bolana sahaza ho an’olona 5 ny fianakaviana iray. Raha tsiahivina, tsy vao voalohany no nandray anjara tamin’ny fanampiana ny Malagasy nandritra ity fahamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana ity ny Opération Smile eto Madagasikara fa efa maro ny tolo-tanana notanterahan’izy ireo na teto Analamanga izany na tany amin’ny Faritra tena voakasiky ity covid-19 ity.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031