Madatopinfo

 Flash Info

FOTODRAFITRASA ARA-BAROTRA : Nanolotra tsena mitafo roa ho an’ny Kaominina ambanivohitra Ranomafana Est Ambatovy

FOTODRAFITRASA ARA-BAROTRA : Nanolotra tsena mitafo roa ho an’ny Kaominina ambanivohitra Ranomafana Est Ambatovy

FOTODRAFITRASA ARA-BAROTRA : Nanolotra tsena mitafo roa ho an’ny Kaominina ambanivohitra Ranomafana Est Ambatovy
mai 31
14:06 2023

Natolotr’Ambatovy ho an’ny Kaominina ambanivohitra Ranomafana Est tamin’ny fomba ôfisialy, ny zoma 26 mey 2023, ny fanalahidin’ny tsena roa vaovao.
Hanome toerana azo antoka kokoa eo amin’ny lafiny aroloza sady mora aleha ho an’ny mpivarotra manodidina ny zato eo ho eo sy ireo mpanjifa ireto tsena ireto izay ao an-tanànan’i Ranomafana Est sy Ambodimanga.
Vita manotolo amin’ny simenitra ny tsena vaovao ao Ranomafana Est ary ahitana tranoheva samihafa samy manana ny habeny afaka mandray karazam-barotra samihafa, toy ny fivarotankena sy vokatra hafa. Tranoheva mitafo maromaro sy toeram-pitahirizam-bokatra izay samy vita amin’ny akora eny an-toerana kosa no mandrafitra ny tsena ao Ambodimanga.
« Manome toky Ambatovy fa hanohy hatrany ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny tetikasam-pampiasam-bola amin’ny lafiny sôsialy maro isan-karazany. Asa goavana sy mafonja ho an’ny vondrom-piarahamonina sy ny hoavin’ny firenena ny firotsahana an-tsehatra amin’ny fomba maharitra eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa ho an’ny fiaraha-monina », hoy ny Tale misahana ny Fantsomby ao Ambatovy, Eli ATME, nandritra ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ôfisialy ireo fotodrafitrasa ho an’ny kaominina ambanivohitra Ranomafana Est.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930