Madatopinfo

 Flash Info

SAHA MAITSOANALA MANDRAKA: Nosafidiana hanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny karazanjavamananaina

SAHA MAITSOANALA MANDRAKA: Nosafidiana hanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny karazanjavamananaina

SAHA MAITSOANALA MANDRAKA: Nosafidiana hanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny karazanjavamananaina
juin 01
06:09 2024

Raha ny 22 mey no voatokana ho “Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina”, ho an’i Madagasikara dia notanterahana tao amin’ny Saha Maintsoanala, Mandraka ny fanamarihana ofisialy ny notanterahina ny zoma 31 mey tamin’ity taona ity. Lohahevitra nandritra ny fanamarihana kosa ny hoe:  » Miasa miaraka ho an’ny karazan-javamananaina ». Nanehoan’ireo mpisehatra rehetra ny firaisan-tsaina sy firaisan-kina ho an’ny karazanjavamananaina.
« Mila ny fiarahamientantsika rehetra ny fiarovana sy ny fitantanana ho lovainjafy ireo harena voajanahary tsy manam-paharoa mampiavaka an’i Madagasikara ireo« , hoy ny Minisitra Max Andonirina Fontaine, ka nankasitraka ny ezaka ataon’ny tsirairay ho an’ny karazanjavamananaina ny tenany, ary namporisika hatrany ny fifanomezan-tanana hahafahana manatratra ny tanjona.
Maherifon’ny tontolo iainana miisa 12 izay nahitana mpikaroka sy manam-pahaizana, ary mpitantana faritra arovana miisa 36 no notoloran’ny Ministera mari-pankasitrahana nandritra ity lanonana ofisialy ity noho ny ezaka vitan’izy ireo tamin’ny asa fikarohana sy fiarovana ny karazanjavamananaina. Vonona hatrany ny hitondra ny traikefany ireo manam-pahaizana ireo ho an’ny tombotsoan’ny harena voajanahary eto Madagasikara.

RSM

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031