Madatopinfo

 Flash Info

CUA – FONDS YAVARHOUSSEN: Hiara-hiasa hanandratra ny kanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara ny roa tonta

CUA – FONDS YAVARHOUSSEN: Hiara-hiasa hanandratra ny kanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara ny roa tonta

CUA – FONDS YAVARHOUSSEN: Hiara-hiasa hanandratra ny kanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara ny roa tonta
septembre 15
07:30 2021

Nomarihana tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Ben’ny Tanàna an’Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina sy ny Filohan’ny Fonds de Dotation HY sady Talen’ny Vondrona Filatex, Hasnaine Yavarhoussen ny fiaraha-mientan’izy ireo hanome toerana ny kanto sy ny kolontsaina eto amintsika. Ny talata 14 oktobra no nanatanterahana izany tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, izany moa dia notronin’ireo solontena avy amin’ny CUA sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Fonds de Dotation HY (Fonds Yavarhoussen). Tanjona amin’izao fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izao ny hampiroborobo hatrany ny kanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara. Isan’ireo sehatra iompanan’ny Fonds Yavarhoussen rahateo ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zava-kanto. Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny tafa niarahana tamin’ny mpanao gazety ihany koa ny voarakitr’izao fifanarahana izao dia ny hetsika lehibe izay hanokanana ny sary sikotra vitan’ny mpankanto malagasy, Joël Andrianomearisoa izay hampitondraina ny lohahevitra hoe: « Eto isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao ». Ny 09 oktobra ho avy izao no hotokanana eo Analakely ity asa tanana goavana ity ary afaka tsidihan’ ny olon-drehetra izany aorian’ny fitokanana. Raha tsiahivina, teraka teto Antananarivo i Joël Andrianomearisoa ny taona 1977, tia mizara ny fiainany sy ny asany amin’ny toerana nahaterahany sy ny firenena any ivelany ny tenany. Mitàna andraikitra lehibe amin’ny fanomezan-danja ny kanto sy ny kolontsaina ihany koa ity mpanakanto fanta-daza ity, Tale artistika eo anivon’ny Ivontoerana ara-java-kanto Hakanto Contemporary ny tenany ankehitriny ary efa maro ny fampirantiana ny asa tanany na teto amintsika izany na tany ivelany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930