Madatopinfo

 Flash Info

ONG RAN’EAU SY IST-D: Niompana tamin’ny EAH ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta

ONG RAN’EAU SY IST-D: Niompana tamin’ny EAH ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta

ONG RAN’EAU SY IST-D: Niompana tamin’ny EAH ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta
juin 05
11:35 2020

Tontosa ny marainan’ny alakamisy 4 Jona lasa teo teny Andoharano Tsimbazaza ny fanaovan-tsonia mikasika ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny ONG Ran’Eau sy ny Institut Supérieur de Technologie (IST) ao Antsiranana. Niompana indrindra tamin’ny sehatry ny rano, fidiovana ary fanadiovana (EAH) io fifanarahana teo amin’ny roa tonta io ka hisy araka izany ny fanamafisana ny fahalalana mikasika ireo mba hametrahana tetikasa ho fampandrosoana. Ny ONG Ran’Eau rahateo dia mikendry ny hanatsara ny kalitao sy ny habetsahan’ny tetikasa mifandraika amin’ny rano, ny fitahirizana ary ny fampiasana azy, ary koa ny fanadiovana sy fidiovana eto Madagasikar izay mifanaraka amin’ny paikadim-pirenena Malagasy.
Raha ny fampitam-baovao voaray, fifanakalozana amin’ny alalan’ny sehatra samihafa toy ny ny tambajotra, ny fihaonambe sy ny maro hafa no tena hifantohan’io fiaraha-miasa io misimisy kokoa amin’ny ankapobeny. Araka ny fantatra, ny ONG Ran’Eau sy ity Ivotoeram-pampianarana ambony iray ao Antsiranana ity dia hiara-hiasa amin’ny tanjona fizarana vaovao mety hahaliana ny tsirairay avy; amin’ny fampahalalana manokana mifandraika amin’ny sehatry ny rano, fidiovana ary fanadiovana; eo ihany koa ny filàna manokana amin’io sehatra io sy ny fampiofanana.
Araka ny fanampim-panazavana hatrany, mitondra tombony lehibe hafa ihany koa io fiaraha-miasan’ny ONG Ran’Eau sy ny IST Antsiranana io, ohatra amin’izany ny fampiroboroboana ny trano famakiam-boky, ny fampianarana amin’ny aterneto, eo ihany koa ny fampianarana arak’asa ho an’ny mpianatra.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031