Madatopinfo

 Flash Info

VOVONANA FIZAFA: Tetikasa 5 goavana no hotanterahana any amin’ny Faritra Atsinanana

VOVONANA FIZAFA: Tetikasa 5 goavana no hotanterahana any amin’ny Faritra Atsinanana

VOVONANA FIZAFA: Tetikasa 5 goavana no hotanterahana any amin’ny Faritra Atsinanana
décembre 18
05:01 2020

« Marolahy tsy lavo mitologna », io no teny filamatry ny Fikambanan’ny Zanak’Ampielezana Faritra Atsinanana na FIZAFA. Nisy ny fampahafantarina ny fisian’ity Vovonana efa mijoro ara-dalàna ity tamin’ny alalan’ny fivoriana niarahana tamin’ny mpitarika ny FIZAFA eto Antananarivo sy ireo fikambanana na olon-tsotra terak’Atsinanana ny alakamisy 17 desambra teny Antaninarenina. Manana tetikasa 5 lehibe ity Vovonana ity hoenti-mampandroso io Faritra io: ny famondronana ireo rehetra avy any Atsinanana ka monina eto Antananarivo, eo koa ny lafiny fampianarana, ny arak’asa, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny kolontsaina ao aminy. « Tsy manao politika ny FIZAFA fa kosa misokatra amin’ny fiaraha-miasa ho an’ireo rehetra vonona ny hampandroso ny Faritra Atsinanana, fanjakana, olon-tsotra, olom-botendry na voafidim-bahoaka na koa ireo sehatra tsy miankina », hoy ny nambaran’ny Filohan’ny FIZAFA izay hitantana mandritra ny 3 taona, Ratovosoa Haja Olivier. Mivoha ho an’ireo maniry ny hanatevin-daharana ho mpikambana araka izany ity vovonana ity ary tsy hanavahana loko politika na fiaviana na ihany koa antokom-pinoana izany.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031