Madatopinfo

 Flash Info

SOS VILLAGES D’ENFANTS: Manao antso avo amin’ny fampiharana ny Lalàna momba ny zon’ny ankizy

SOS VILLAGES D’ENFANTS: Manao antso avo amin’ny fampiharana ny Lalàna momba ny zon’ny ankizy

SOS VILLAGES D’ENFANTS: Manao antso avo amin’ny fampiharana ny Lalàna momba ny zon’ny ankizy
novembre 17
04:52 2022

Homarihana ny alahady 20 Novambra ny fankalazana ny faha-31 taona nankatoavan’i Madagasikara ny Lalàna iraisampirenena momba ny zon’ny ankizy na CIDE. Ho an’ny SOS Villages d’Enfants Madagascar, valan-dresaka narahina adihevitra teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Mponina no nanamarihana izany ny alarobia 16 Novambra izay notanterahana teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Hetsika izay nampitondraina ny lohahevitra hoe: » Aiza ho aiza ny fanajana io CIDE io eto Madagasikara? ». Nandritra izany no namoaboasana ny jery todika sy ireo ezaka mbola hotanterahana. Nitarika ny valan-dresaka nandritra izany moa ny solontena avy amin’ny Fanjakana sy ny fiarahamonimpirenena. Nanambara ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana SOS Villages d’Enfants Madagascar, Maître Maria Raharinarivonirina fa: « Hohamafisina hatrany ny haitaky mikasika ny fanajana ireo zo fototra miisa 5 voalazan’ny Lalàna iraisampirenena momba ny zon’ny ankizy ary samy tompon’andraikitra avokoa na ny firaisamonimpirenena na ihany koa ny fitondram-panjakana ». Manaitra ireo tompon’andraikitra isan-tokony araka izany izy ireo amin’ny fanajana ny CIDE. Ny Tale misahana ny ankizy sy ny fianakaviana eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina, Rajerison Miora Fanantenana ihany koa dia nilaza fa efa manao ezaka ny fitondrana indrindra ny amin’ireny ankizin’ny lalana ireny sy ny raiamandreniny mba hampidirina ao amin’ny Ivontoerana misahana izany toa ny eny Ankazomanga sy Isotry.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031