Madatopinfo

 Flash Info

TANA DESIGN WEEK : Hisokatra eo amin’ny sehatra iraisampirenena ny andiany faharoa

TANA DESIGN WEEK : Hisokatra eo amin’ny sehatra iraisampirenena ny andiany faharoa

TANA DESIGN WEEK : Hisokatra eo amin’ny sehatra iraisampirenena ny andiany faharoa
mars 09
03:10 2023

Mendrika hasongadina ny sehatry ny hay famoronana hampivelatra ny haren-tsaina sy ny kolontsaina eto an-toerana ary misokatra amin’izao tontolo izao ka amin’ny alalan’ny « Tana design week » no hanehoana izany. Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ity taona ity io hetsika io izay nampitondraina ny lohahevitra hoe : « Ary raha ». Araka ny fampahafantarana tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly, teny amin’ny Campus Telma Andraharo, dia hotanterahana eny amin’ny Gara Soarano mandritra 8 andro ity hetsika ity. Hanomboka ny sabotsy 11 martsa ka hatramin’ny sabotsy 18 hoavy izao. « Hampiavaka ity andiany faharoa ity ny hisokafana kokoa mankany amin’ny sehatra iraisampirenena, satria vahiny maromaro avy any ivelany no handray anjara amin’ny Tana Design Week 2023, toa ny avy any Frantsa, Suisse, Italie, Inde, Cuba », hoy i Domi Sanji, mpamorona sy mpikarakara ny Tana Design Week sady Filohan’ny Johary Constellation. Tetikasa miisa 6 no haranty anatin’ity Tana Design Week ity tahaka ny fanorenana sekoly any Mahitsy, toerana saro-dalana kanefa mendrika hisitraka ny tetikasa, eo ihany koa ny sekolin’ny zavatra tsy fantatra izay hampifandray ireo sekoly avy amina firenena maromaro maneran-tany, isan’izany i Madagasikara, Pologne sy Frantsa. Hisongadina amin’izany koa ny momba ny sorabe izay angovo mamolavola toetsaina, tsy diso anjara ny fanaka an-tanàn-dehibe mifandraika amin’ny akora eto an-toerana sy ny fomba amam-anao ary ny kolontsaina. Hisongadina kokoa araka izany ny sekoly ary nampahafantarina fa hisokatra tsy ho ela ny ivontoeram-pampianarana ambony voalohany eto Madagasikara manofana amin’ny ariraha sy ny asa tanana voakaly na « Ary raha Institute ».
Ankoatra izay, ahitana ny akora vita amin’ny lamba izay niarahan’ny mpamorona malagasy sy indiana namolavola ihany koa mandritra ny Tana Design Week andiany faharoa, ary hisy ny karazana atrikasa sy latabatra boribory arahana lohahevitra mikasika ny asa famoronana sy ny tontolony izay handraisan’ny mamorona malagasy sy vahiny anjara. Fotoana hiavaka indray hihaonan’ireo mpitia, mpandala sy ireo mpamorona araka izany ity hetsika ity, ary ihany koa ahafahana mitsidika sy mamantatra ity sehatra iray ity mandritra ny 8 andro. Tsiahivina moa, fa isan’ny mpanohana ny Tana Design Week 2023 ny Telma Madagascar.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930