Madatopinfo

 Flash Info

FAHA-62 TAONA NAHAZOANA NY FAHALEOVANTENA: Tao amin’ny MEN Anosy no nanombohana ny fananganan-tsaina

FAHA-62 TAONA NAHAZOANA NY FAHALEOVANTENA: Tao amin’ny MEN Anosy no nanombohana ny fananganan-tsaina

FAHA-62 TAONA NAHAZOANA NY FAHALEOVANTENA: Tao amin’ny MEN Anosy no nanombohana ny fananganan-tsaina
juin 07
13:04 2022

Notanterahana teo amin’ny tokontany malalaky ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy no ny talata 7 jona ny fanombohan’ny fananganan-tsaina izay karakarain’ny Komitim-pirenena manomana ny fankalazana ny faha 62 taona nazahoan’ny Malagasy fahaleovantena sy nijoroan’ny foloalindahy Malagasy. Ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrarimalala no nitarika izany ary notronin’ny Filohan’ny Komity nasionaly misahana ny fikarakarana ny fetim-pirenena sy ireo mpiara- miasa ao amin’ny Minisitera. Ny mpitsoka mozikan’ny governemanta kosa no nanafana ny hetsika nandritra firedonana ny hiram-pirenena. Ny sainam-pirenena araka ny nambaran’ny Filoha nasionalin’ny Komity dia tokony ho hajaina sy homena hasina satria ahafantarana ny firenena iray, mariky ny tany tan-dalàna misy Fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filoham-pirenena sy ny vahoakany. Fanomezana hasina ny tanindrazana ihany koa ny fananganan-tsaina. Tao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no nisantarana ny hetsika izany satria « ato ny tanin-ketsam-panabeazana ireo zaza sy ireo tanora Malagasy ». Fanombohana ihany no natao tao amin’ity Minisitera ity fa mbola hitohy any amin’ireo Minisitera samy hafa sy ireo andrim-panjakana hafa ny hetsika. Ny loha-hevitra amin’izany moa dia ny hoe :  » Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny hambompom-pirenena ». Ny fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena no fototra hiaingana, tanjaka. Ny asa sy ny ezaka fampandrosoana no antoka. Madagasikara soa milamina maharitra no tanjona iombonanana. Ireo andian-teny ireo no nampitain’ny Komity nasionaly manomana an’ity fitsingerenan’ny faha 62 taona nazahoan’ny Malagasy fahaleovantena ity. Nandritra ny lahateny fohy nataon’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena no nanafarany fa « ilaina ny mamerimberina sy mampahafantatra ny fiaraha-monina Malagasy ny amin’ny lanjan’ny fitiava-tanindrazana. Ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana no entina mampita sy manabe ireo zaza Malagasy ho olom-pirenena vanona, hanaja ny soatoavina.

MR

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031