Madatopinfo

 Flash Info

MVOLA FAMENO : Vahaolana ho an’ny mpanjifa amin’ny hamehana sy ny tsy fahampiana tampoka

MVOLA FAMENO : Vahaolana ho an’ny mpanjifa amin’ny hamehana sy ny tsy fahampiana tampoka

MVOLA FAMENO : Vahaolana ho an’ny mpanjifa amin’ny hamehana sy ny tsy fahampiana tampoka
février 21
15:04 2024

Tsy mitsahatra ny manamora hatrany andavanandron’ny mpanjifany hatrany ny MVola amin’ny alalan’ireo tolotra maro isafidianana sy ny kalitaon’ny servisiny. Ny sabotsy 17 Febroary lasa teo, nampahafantarina indray ny tolotra vaovao fanampim-bola an’ny MVola izay antsoina hoe : « MVola Fameno ». Araka ny fampitam-baovao voaray, natao hanampiana ny mpanjifa ny MVola Fameno, izany hoe, raha toa ka tsy ampy ny ambim-bola anaty kaonty eo am-pamindrana vola na fividianana dia azon’ny mpanjifa atao avy hatrany ny mampiasa ity tolotra ity. Hatramin’ny 1.000.000 ariary kosa ny famenoana ny ambim-bola azon’ny mpanjifa sitrahana eo noho eo ary anatin’ny 7 andro ny fanonerana ny Fameno nalaina amin’ny sarany na « frais de dossier » 1 % isan’andro. Tsotra ny fanatanterahana azy, mila manindry ny #111*1*3*2# raha hisoratra anarana maimaim-poana amin’ny MVola Fameno. Afaka manafoana izany ary avy eo dia mamerina azy indray araka ny filàny ny mpampiasa ny tolotra.
Raha ny fanazavana, manoloana ny fandaniana tsy ampoizina na ny hamehana dia tolotra fampindramam-bola mifameno ny MVola Fameno na ny MVola Avance. Tsy afaka misintona ny MVola Fameno-ny ny mpanjifa satria io vola io dia hanatanterahana ny famindrana na fandoavam-bola fotsiny. Azo atao kosa anefa ny mampiasa ny tolotra MVola Fameno sy MVola Avance miaraka. Alohan’ny hisitrahana ny « Avance » na « Fameno » kosa dia ilaina ny manombantombana ny fahafahan’ny mpanjifa mandoa vola.
 » Mitazona mafy ny fomba fijerinay amin’ny famolavolana ny tolotra sy ny vokatray ao amin’ny MVola izahay amin’izao taona 2024 izao. Ho antsika Malagasy tsirairay, na inona na inona sata misy azy, dia mendrika ny hahazo tolotra ara-bola tsotra sy azo antoka. Ny fisian’ny MVola Avance sy araka izany ny MVola Fameno dia mitàna anjara asa goavana eo amin’ny Malagasy tsirairay”, hoy i Louis-Olivier Favot, tale jeneralin’ny MVola.
Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny taona 2010, tanjon’ny MVola ny hanomezana tolotra ara-bola mora sy tsara kalitao ho an’ny Malagasy tsirairay. Manatsotra ny fiainan’ny mpanjifany maherin’ny 10 tapitrisa mikirakira ny tolotra tolotra fitehirizana, findramana ary fiantohana ara-bola ny MVola.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031