Madatopinfo

 Flash Info

SYNAD : Voafidy ho Filoha vaovao i Paolo Emilio Raholinaivo Solonavalona

SYNAD : Voafidy ho Filoha vaovao i Paolo Emilio Raholinaivo Solonavalona

SYNAD : Voafidy ho Filoha vaovao i Paolo Emilio Raholinaivo Solonavalona
mars 19
09:30 2022

Tontosa ny zoma 18 martsa teo teny Anjomakely ny Fivoriamben’ny Synad (Syndicat National des Administrateurs Civils de Madagascar) izay natrehan’ny mpikambana rehetra manerana ny Nosy, noresahana nandritra izany ireo ezaka vitan’ny mpitantana teo aloha sy ny lesoka tokony harenina. Niroso avy hatrany tamin’ny fifidianana ho Filoha vaovaon’ny Synad kosa avy eo izy ireo. Telo mirahalahy no nilatsaka ho kandida tamin’izany ary lany tamin’ny fihodidinana voalohany tamin’ny vato 197, ary salan’isa 58 isan-jato tamin’izany i. Nahazo vato 68 kosa ny kandida Louis Faistin Rivo Harimanantsoa Ralaizandriny raha 65 no isam-bato azon’i Michel Najarhoussen ary niisa 4 ny vato maty sy vato fotsy. Tsy nisy intsony araka izany ny fihodinana faharoa noho ny fahatrarany ny ampaham-bato mihoatra. « Tsy nahitana ny olana teo aloha, sy nandritra ary taorian’ny fifidianana fa nizotra am-pilaminana avokoa tamin’ny ankapobeny. Tsy nampoizina ihany koa ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tamin’ity satria tena ambony tokoa izay nahatratra mpifidy 334 », hoy ny Filoha Komity mpikarakara ny fifidianana Synad, Aina Nirina Serge.
Raha ho an’i Paolo Emilio Raholinaivo Solonavalona, Filohan’ny Synad, isan’ny laharam-pahamehana mandritra ny 3 taona hitondrany ny Synad ny hametrahana amin’ny toerana misy azy ny Administratera Sivily, ary hanitsy izay tsy mety amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana indrindra ny fanendrena olona tsy mahafehy ilay asa. « Ho mpanolon-tsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny mahateknisianina izahay, any amin’ny primatiora sy eo anivon’ny ministera. Hijoro hiady amin’ny tsy rariny ihany koa ny Synad ary tsy hanaiky ny endrika tsy fanarahan-dalàna eto Madagasikara », hoy ny nambaran’ny Filoha vaovaon’ny Synad. Tonga nanatrika ny lanonana teny an-toerana moa ny Ministry ny atitany sy ny fitsinjarampahefana, Tokely Justin ary niarahaba sy nirary soa ny Birao vaovao mitantana ny Syndicat National des Administrateurs Civils de Madagascar.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930