Madatopinfo

 Flash Info

Midangana tanteraka ny vidim-piainana, tsy voasarona fety aman-danonana intsony

Midangana tanteraka ny vidim-piainana, tsy voasarona fety aman-danonana intsony

Midangana tanteraka ny vidim-piainana, tsy voasarona fety aman-danonana intsony
novembre 21
06:45 2020

Misoko mangina ny vidim-piainana. Samy mahatsapa ny isan-tokantrano fa vao volana Novambra, efa mihopampana ny vidin’ny vary. Ny sakafo sy ny kojakoja andavanandro efa tsy lazaina intsony. Ny olompirenena anefa nampahantrain’ny coronavirus, raha tsy ilaza afats’ireo very asa. Ankoatra ny PPN dia efa samy nahatsapa fa niaka-bidy avokoa ny fitaovan’ny mpianatra fa tsy nisy niloa-bava na ireo lazaina fa mpanohitra, mba tsy ilazana fa mody karamaina hanohitra aza. Tamin’ny fitondrana rehetra tany aloha, vao miakatra 20 ariary ny kialon’ny vary dia efa mifanasa vangy ireo mpanohitra sy mpitondra. Amin’izao fotoana izao, ireo lazaina fa haino aman-jerin’ireo mpitondra teo very seza aza tsy ahitan-teny.
Tsy vao izao no niakatra ny vidim-piainana saingy voasaron’ny fety aman-danonana ny fisainan’ny vahoaka na ny “opinion publique”. Tsy nisy fotoana nandinihina ny vidim-piainana ny Malagasy fa revo tamin’ny Barea, Fahatongavan’ny Papa Fransoa, îles éparses, coronavirus, Colisée, satroky ny fikabarian’ny mpanjaka… Saingy amin’izao fotoana izao, efa tsapan’ny mpanara-baovao fa mikaikaika ny vahoaka Malagasy.
Fomba fiady koa anefa io fa matetika fa ahiana efa misy tetikady mikasika ny vary mora, tosika, vatsy … any ho any fa mila milamina dia misesy fotsiny. Olonkendry ny mpitondra ka azo antoka fa mihevitra ny vahoakany. Mila mahandry ny vahoaka entina fa mety tsy ho ela ihany koa ilay fampidinana ny vidin-jiro araka ny fampanantenana tamin’ny fampielezan-kevitra. Tsy vitsy amin’ireo nampanantaneina no efa miroso tsikelikely, tahaka ny RN44, MIAMI, Rocade, lalan’ny Faritra Avaratra Antsinanana, ozinina fanaovana fanafody sy lafarinina…. Azo antoka fa hanova ekipa indray atsy ho atsy ny mpanatanteraka mba hanilihina ny tsy fahombiazana. Politika politisianina io. Te hampandroso tanteraka ny Firenena ny Filoha, saingy ireo manodidina azy tsy voatery hanana zotom-po politika. Misy kosa anefa ireo Minisitra tena miasa amin’ny fo, azo antoka fa ho voatana.
La rédaction
Sary nindramina, efa tamin’izany andro izany, indray andro hono « 1980 » ny kilaon’ny vary.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031