Madatopinfo

 Flash Info

RAHARAHA CNAPS: Mitaky fitsirihana momba ny fitantanana ny Randrana Sendikaly

RAHARAHA CNAPS: Mitaky fitsirihana momba ny fitantanana ny Randrana Sendikaly

RAHARAHA CNAPS: Mitaky fitsirihana momba ny fitantanana ny Randrana Sendikaly
mars 17
06:30 2022

« Mila hadihadiana lalina ny vola nivoaka rehetra fa tsy tokony hihonona fotsiny amin’ny fampidirana am-ponja ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (CNAPS) », hoy ny fanambaran’ ny Randrana Sendikaly nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, omaly, teny Ankorondrano. Tokony laharam-pahamehana ny fisian’ny mangarahara tanteraka momba ireo vola mivoaka mihoa-papana tsy ara-dalana eo anivon’ny CNAPS. Manoloana io raharaha io, nametraka fitoriana teo anivon’ny Tendro iraisan’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly (PAC) ny Randrana Sendikaly, miisa 11 ireo anton’ny fitoriana tamin’izany. Tafiditra ao anatin’io ny fifanarahana niarahana tamin’ny mpanazatra teo aloha ny ekipam-pirenena BAREA, eo ihany koa ny famoaham-bola amin’ireo fanomezana etsy sy eroa. Manaraka izany ny tsy fandoavana orinasa marobe ny latsakemboka kanefa miala amin’ny karaman’ny mpiasa ny 1% isam-bolana. Manaitra ny sain’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy manerana ny Nosy ny Randrana Sendikaly mba tsy hatoritory fa hitaky ny zon’izy ireo. Manodidina ny 800.000 mantsy ireo mpisitraka ny CNAPS amin’izao fotoana izao. « Miandry ny ministry ny Asa sy ny ministry ny Vola izahay ny amin’ny fanapahan-kevitra mikasika ny famoaham-bola manjavozavo ao. Ary efa tokony hiditra amin’ny dingana fitsirihana ny fitantanana ihany koa mikasika io raharaha io. Tsy azo avela amin’izao izany ary mametraka fitoriana amin’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Filankevi-pitantanana CNAPS izahay « , hoy ny Sekretera jeneralin’ny Randrana Sendikaly, Barson Rakotomanga. Ny Randrana Sendikaly moa dia fantatra amin’ny fiarovana ny zon’ny mpiasa malagasy indrindra ireo kzay tratran’ny tsindrihazolena ary mitolona hatrany ho an’ny fisitrahan’ny mpiasa ny tombotsoany ara-dalana. Andrasana araka izany ny mety ho fizotry ny toe-draharaha.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930