Madatopinfo

 Flash Info

LIONS CLUB MADAGASCAR: Nanolotra fitaovana mitentina 10.000 dolara hiadiana amin’ny Covid-19

LIONS CLUB MADAGASCAR: Nanolotra fitaovana mitentina 10.000 dolara hiadiana amin’ny Covid-19

LIONS CLUB MADAGASCAR: Nanolotra fitaovana mitentina 10.000 dolara hiadiana amin’ny Covid-19
août 15
05:14 2020

Ao anatin’izao vanim-potoana sarotra mikasika ny ady amin’ny Covid-19 lalovan’ny firenentsika izao dia ilaina ny fifanohanana sy ny firaisan-kinan’ny rehetra amin’ny maha-ady iombonana azy izany. Isan’ireo mifanerasera sy miatrika mivantana ny olona mararin’ny Covid-19 ireo mpiasan’ny fahasalamana. Mampitaraina azy ireo matetika anefa nandritra izay volana maromaro nahatongavan’ity valan’aretina ity teto amintsika ny tsy fahampianan’ny fitaovana fiarovana eo am-panatanterahana ny asany. Manoloana izany indrindra, dia kojakoja sy fitaovana mitotaly 10.000 dolara no natolotry ny Lions Club Madagascar entina hiatrehana ny ady amin’ny covid-19 eto amintsika. Fitaovana maro manaraka ny fenitra ara-pahasalamana toy ny aro-tava, aro-tanana, surchaussures, surblouses, ny « oxymètre » sy « thermomètre » ny santionan’ireo fanomezana ireo. Ny hopitaly mandray an-tanana ny mararin’ny Coronavirus araka izany no hisitraka ireo fitaovana ireo, ny eny amin’ny Hopitaly Joseph Ranvoahangy Andrianavalona (HJRA) sy Hopitaly Befelatanana (HJRB) ary ny Hopitaly manaram-penitra any Toamasina. Tonga nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fanomezana ireo teny amin’ny HJRA Ampefiloha ny alakamisy 13 Aogositra lasa teo ny Filoha sy ny mpikambana ao amin’ny Lions Club Madagascar, nanatrika izany ny solontenan’ny mpiasan’ny hopitaly voakasiky ny fanohanana ary nankasitraka feno izao fihetsika mendrika alain-tahaka izao . Raha ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana manokana, indrindra ireo izay tena mifandray amin’ireo mararin’ny covid-19 dia zava-dehibe ho azy ireo ny fananana fitaovana fiarovan-tena tahaka izao ahafahan’izy ireo manatanteraka tsy misy ahiahy ny asany. Ny fianakaviamben’ny Lions Club Madagasikara ihany koa dia miara-misalahy sy miara-mientana hatrany amin’izao olana ara-pahasalamana eo amintsika izao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930