Madatopinfo

 Flash Info

PROFESORA RIVOARISON RANDRIANASOLO : Hirotsa-kofidiana filohan’ny oniversite an’Antananarivo

PROFESORA RIVOARISON RANDRIANASOLO : Hirotsa-kofidiana filohan’ny oniversite an’Antananarivo

PROFESORA RIVOARISON RANDRIANASOLO : Hirotsa-kofidiana filohan’ny oniversite an’Antananarivo
février 01
16:19 2022

« Antom-pisian’ny oniversite an’Antananarivo ny fampitana ny fahaizana amam-pahalalana sy ny fikarohana », io no ampahany tamin’ny lahatenin’i Profesora Rivoarison Randrianasolo. Nanambara tamin’ny ofisialy amin’ny fahavononany isan’ireo kandida ho fidiana filoha eo anivon’ny oniversite an’Antananarivo ny tenany. Notanterahana manetriketrika ny alatsinainy 1 febroary teny Antanimora ny fampahafantarana izany.10 taona niomanana izao fotoana izao ity kandida ity raha ny nambarany, 46 taona ny lehilahy ankehitriny. Efa nandray anjara mavitrika teo anivon’ny fakiolte sy ny sendika ary koa havanana eo amin’ny fitantanana sehatra tsy miankina i Profesora Rivoarison Randrianasolo, vinany ny fanatsarana sy fampandrosoana ny oniversite hilatsahany ho taratr’i Madagasikara. Ny teny filamatr’ity kandida ity rahateo ny hoe : « mitambatra ao anatin’ny fahasamihafana ho fampandrosoana ny oniversite an’Antananarivo ». Nanatrika ity fotoan-dehibe ity ny solontenan’ny mpianatra, mpampianatra mpikaroka, mpandraharaha, fakiolte, ny sampan-draharaha isan-tsokajiny. Isaky ny 3 taona moa ny fepotoam-piasan’ny filoha hitantana ho an’ity oniversite ity. Tsiahivina fa hanomboka tsy ho ela ny fotoana fampielezan-kevitra amin’izany fifidianana izany ary ny 9 martsa kosa no hanatanterahana ny latsa-bato.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031