Madatopinfo

 Flash Info

ESTIIM’: 106 mianadahy ireo notolorana mari-pahaizana tamin’ny andiany faha-15

ESTIIM’: 106 mianadahy ireo notolorana mari-pahaizana tamin’ny andiany faha-15

ESTIIM’: 106 mianadahy ireo notolorana mari-pahaizana tamin’ny andiany faha-15
décembre 24
08:30 2020

Hatramin’izay 18 taona nijoroan’ny ESTIIM’ na Engineering School of Tourism, Informatics, Interpretership and Management izay, tsy nitsaha-nivoatra ny kalitaon’ny tontolon’ny fampianarana ao aminy. Ny alarobia 23 desambra teny amin’ny CCI Ivato no namoaka indray andiany indraimihira faha-15 nampitondraina ny anarana « Mandresy » ity sekoly ambony tsy miankina ity. Miisa 106 mianadahy izy ireo no nahazo mari-pahaizana DTS, Licence, Master 1 ary Master 2 tamin’izany. Mbola nitàna ny « Major de promotion » hatrany i Diamondra Ratrema ao amin’ny lalam-piofanana Interprétariat – Diplomatie – Sciences politiques ary nahazo ny « bourses d’excellence » mitentina 400.000 ariary ny tenany. Ho fampirisihana ny mpianatra hilofo hatrany amin’ny fianarana mantsy dia misy ny karazana vatsim-pianarana omen’ny sekoly ho an’ny mpianatra. « Noho ny fihibohana nandritra ny volana vitsivitsy teto amintsika dia voatery natao ampitain-davitra sy an-tambazotra avokoa ny ankabeazan’ny fampianarana tamin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity. Na izany aza nefa, nizotra ara-dalàna hatrany ny fampianarana ka izao nahatavoaka ny andiany faha-15 izao », hoy ny Tale Jeneralin’ny ESTIIM’, Andrianadison. Nanatrika io lanonana famoahana ny andiany « Mandresy » io moa ny Ray mpiahy, Ernest Tsikel’iankina eo anivon’ny Ministeran’ny fampianarana ambony.

Ny tanora sy ny sehatry ny asa

80 isan-jaton’ny mpianatra nivoaka fianarana ao amin’ny ESTIIM’ hatramin’izay dia tafiditra avy hatrany amin’ny sehatry ny asa, hoy hatrany ny Tale Jeneraly Andrianadison. Maro tamin’izy ireny no efa lasa mpiasam-panjakana ambony, misy ihany koa tafiditra amin’ny orinasa tsy miankina sy miainga amin’ny famoronan’asa raha vao vita ny fianarana. Fantatra kosa fa ny lalam-piofanana Tourism no tena be mpisafidy indrindra tamin’ity taom-pianarana ity ary ny Sciences politiques kosa no tsy dia nampiraika ny tanora loatra. Tsiahivina fa ahitana lalam-piofanana 7 ao amin’ny ESTIIM’: Administration – Management, Commerce – Marketing, Tourisme – Hôtellerie – Environnement, Informatique, Droit, Interprétariat – Diplomatie – Sciences politiques, ary ny Sciences de l’Interprétariat, de l’Information et de la Communication.

Fifampitsinjovana

Isan’ny mampiavaka ny ESTIIM’ amin’ny sekoly ambony tsy miankina hafa ny fanamoràna ny fandoavana saram-pianarana nandritra izay taona maro izay. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia misy hatrany ny fifampiresahana eo amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny eo anivon’ny sekoly raha toa ka misy fahataràna na miova ny fandoavana izany. Mijery manokana ireo mpianatra mila fanampiana ihany koa ny sekoly amin’ny alalan’ny « bourse sociale » izay sitrahan’ireo kamboty na koa ireo sahirana ara-pivelomana.
Ankoatra izay, ny ESTIIM’ dia miara-miasa akaiky amin’ny Akanin’ny marenina (AKAMA). Miisa 11 mianadahy eo anivon’izany akany izany ankehitriny no manohy ny fianarana Informatique ao aminy ary efa taona faharoa izy ireo amin’izao fotoana izao. Raha ny tamin’ity taom-pianarana vaovao ity kosa dia misy 5 mianadahy ireo mpianatra manana fahasembanaana ara-pihainoana no mianatra ao amin’ny ESTIIM’. Ny ampahatelon’ny saram-pianaran’izy ireo ihany araka izany no alohan’ny AKAMA ho fanamaivanana ny fahasahiran’ny akany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930