Madatopinfo

 Flash Info

BIRAO VAOVAON’NY SYEM: Hitondra ainga vao ho an’ny “Inspecteur d’Etat” eto Madagasikara

BIRAO VAOVAON’NY SYEM: Hitondra ainga vao ho an’ny “Inspecteur d’Etat” eto Madagasikara

BIRAO VAOVAON’NY SYEM: Hitondra ainga vao ho an’ny “Inspecteur d’Etat” eto Madagasikara
novembre 23
07:20 2021

Amin’izao fotoana izao, miisa 40 no isan’ireo misahana ny asa fanaraha-maso, fitsirihana ny asam-panjakana ary ny fintantanana amin’ny ankapobeny (Inspecteur d’Etat ) manerana ny Nosy. Ny 12 Novambra lasa teo no tafatsangana ny mpikambana vaovao mandrafitra ny Birao eo anivon’ny Sendikan’ny Inspecteur d’Etat eto Madagasikara na SYEM ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 22 Novambra teny Antaninarenina izany. “Isan’ny tanjona lehibe ho an’ny Birao vaovao, ny hamerenana ny hasin’izany Inspecteur d’Etat izany, eo ihany koa ny fanatsarana ny asa”, hoy ny Filohan’ny SYEM, Rakotomanga José Solondrainy. Hangataka fihaonana amin’ny Filoham-pirenena ireo Birao vaovaon’ny SYEM ireo ny amin’ny fanavaozana hoentina eo anivon’ity Antokon-draharaha misahana ny asam-panjakana sy ny fitantanana ity. Anisan’ny veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina rahateo ny hisian’ny fanjakana tsara tantana. Tsiahivina fa ny Inspecteur d’Etat dia Antokon-draharaha eo ambany fiahiana mivantana ny Filohan’ny Repoblika.

La réd.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031