Madatopinfo

 Flash Info

FARITRA ANALAMANGA: Mitohy mandritra ny 15 andro manaraka ny fihibohana

FARITRA ANALAMANGA: Mitohy mandritra ny 15 andro manaraka ny fihibohana

FARITRA ANALAMANGA: Mitohy mandritra ny 15 andro manaraka ny fihibohana
juillet 27
07:00 2020

Miditra ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana andiany faha-10 ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Maro ny teboka notsindrian’ny Praiministra Ntsay Christian nandritra ny tafa nataony tamin’ny vahoaka Malagasy omaly alina mikasika ny fepetra fihibohana manerana an’i Madagasikara. Raha ho an’ny Faritra Analamanga manokana no asian-teny, dia nambarany fa mitohy mandritra ny 15 andro indray ny fihibohana saingy misy ny fiovana kely eo amin’ny lafiny fepetra. Ankoatra ny fepetra efa nampiharina teo aloha mantsy dia nampahafantariny fa afaka mitondra olona iray fanampiny ny môtô raha toa ka vady na zanaka izany, ny tsenam-pokontany dia misokatra manomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 1 ora tolakandro. Ny fiara fitatera-bahoaka na ny taxi-be ihany koa dia mbola tsy miasa hatreto, fa ny taxi ihany no mahazo mifamezivezy. Tsy mbola azo atao ihany koa ny mandevina ivelan’ny Faritra, hoy izy, ary tsy ekena ny mampiditra razana avy any amin’ny Faritra miditra eto Analamanga. Raha ny mikasika ny fampianarana indray kosa dia mbola tsy miditra an-tsekoly ny mpianatra rehetra. Eo amin’ny lafiny arak’asa, afaka misokatra hatramin’ny 1 ora tolakandro ny toeram-pisakafoana ary ekena ny fisokafan’ny orinasa tsy miankina raha toa ka iandreketan’ny orinasa ny fitaterana ny mpiasa ao aminy sy ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra. Nofaritany ihany koa fa tsy mbola afaka mamonjy ny toeram-piasana ireo olona marefo. Mbola mihatra eto amin’ny Faritra Analamanga moa ny tsy fahafahana mivezivezy na « couvre-feu » manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina.
Ankoatra izay, raha ny mikasika ny fanararaotana amin’ny fampiakarana ny vidim-panafody izay ataon’ny mpivaro-panafody sasantsasany dia nilaza ny Lehiben’ny Governemanta fa handraisana fepetra avy hatrany izy ireny ary manan-jo hanao fitorohana ny olona iharan’izany. Ny fitsaboana ny Covid dia maimaim-poana, hoy hatrany ny tenany, ary tsy tokony mandoha vola fa tsy tafiditra ao anatin’izany kosa ny fanafody ho an’ireo izay manana aretina mitaiza. Nandritra io tafa nataony omaly io moa, dia velom-pisaorana ny vahoaka Malagasy ny Praiministra Ntsay Christian noho ny fahendrena sy ny fanarahana ny fepetra hiadiana amin’izao fihanaky ny valan’aretina Covid-19 izao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930