Madatopinfo

 Flash Info

TROPI’COM : Hitondra ainga vaovao ho an’ny fizahantany eto Madagasikara

TROPI’COM : Hitondra ainga vaovao ho an’ny fizahantany eto Madagasikara

TROPI’COM : Hitondra ainga vaovao ho an’ny fizahantany eto Madagasikara
décembre 21
07:41 2023

Fanamby ho an’ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Famatarana ny toetr’andro ny hahatrarana 1 tapitrisa ny isan’ny mpitsidika avy any ivelany tonga eto Madagasikara hatramin’ny taona 2028. Hitondra ny anjara birikiny hahatongavana amin’io vina io ny Tropi’Com izay ivon-toerana misahana ny serasera na « agence de communication ». Mitodika manokana amin’ny lafiny fizahantany ity ivon-toerana ity, nampahafatarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Galaxy Village Andraharo ny alarobia 20 desambra ny fijoroany. « Manana harena afaka aseho amin’izao tontolo izao ity Nosintsika ity ka antom-pisian’ny Tropi’Com ny fanampiana ireo matihanina amin’ny fizahantany », hoy ny Mpanorina ny Tropi’Com, Josceline Andriamiarintsoa. Tafiditra ao anatin’izany moa ireo mpitantana ny trano fandraisam-bahiny, mpampanofa fiara, toeram-pisakafoana, mpitari-dia, tours opérateurs sy ny agence de voyage. Noho ny fisian’ny Tropi’Com, isan’ny tombony lehibe hositrahan’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny fahafehezana ny serasera indrindra amin’ny tambazotra, eo ihany koa ny fampiofanana azy ireo. Raha teo aloha tokoa mantsy, somary sahirankirana ireo mpiantsehatra ireo hisafidy izay « agence de communication » hanatonany, amin’izao fotoana izao kosa mijoro ny Tropi’Com hanamora sy hanatsara ny kalitaon’ny asan’ireo.
« Tanjon’ny Tropi’Com rahateo ny hampiroborobo sy hanarenana ny fizahantany eto Madagasikara izay isan’ny mampiakatra ny toekarentsika. Manampy ireo matihanina amin’io sehatra io mba hahazainy miserasera hanintona ireo mpizahantany avy any ivelany hoavy eto amintsika, ary ihany koa ireo malagasy monina eto an-toerana hahafantatra ireo harena mampiavaka an’ity Nosy ity », hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Marihana moa fa eny Andrefan’Ambohijanahary no ahitana ny foiben-toerany ary misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra ny Agence de communication Tropi’Com.

Sary: Ⓒ︎ Tropi’Com

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930