Madatopinfo

 Flash Info

TAOM-PIANARANA 2020-2021: Hitombo 20 ireo sekoly hisitraka ny tetikasa fanabeazana nomerika

TAOM-PIANARANA 2020-2021: Hitombo 20 ireo sekoly hisitraka ny tetikasa fanabeazana nomerika

TAOM-PIANARANA 2020-2021: Hitombo 20 ireo sekoly hisitraka ny tetikasa fanabeazana nomerika
octobre 13
07:10 2020

Isan’ny tanjon’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fanomezana fanabeazana tsara kalitao ho an’ny zaza malagasy manerana an’i Madagasikara, ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fanabeazana nomerika. Manoloana izany indrindra no nahatonga ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Orange Solidarité Madagascar hanavao indray ny fiaraha-miasa izay efa natomboka tamin’ny taona 2014. Notanterahana ny alatsinainy 12 Oktobra teny Anosy ny fanamafisana izany fiaraha-miasa izany tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia teo amin’ny Ministry ny fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala sy ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Josie Randriambeloma. Voarakitra ao anatin’ity fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ity ny fikirakirana ny teknolojia vaovao. Tsiahivina fa sekoly 236 no efa nisitraka ny tetikasa fanabeazana nomerika nandritra izay enin-taona izay, hiampy 20 kosa izany amin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity. « Tafiditra ao amin’ny fandaharan’asa ny fanomezana fiofanana ny mpanabe sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly ahafantaran’izy ireo ny tombontsoa azon’ny zaza malagasy amin’izany. Aorian’ny fiofanana dia hotolorana fitaovana toy ny tablette, solosaina, vidéo projecteur izy ireo », hoy ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Josie Randriambeloma. Raha ny fantatra, boky 2.500 no hampidirina ao anatin’ny tablette hoenti-mampitombo ny tahan’ny famakiam-boky ary ahafahan’ny zaza malagasy mampivelatra ny fomba fisainana. Nanambara moa ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena fa mifanojo tanteraka amin’ny tetikasan’ny Ministera sahaniny izao fiaraha-miasa naroso izao ary nankasitraka ny ekipan’ny Orange Solidarité Madagascar ihany koa ny tenany amin’ny fanomezan-tanana tahaka izao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930