Madatopinfo

 Flash Info

SOMAROHO OCEAN INDIEN: Hiavaka ny fanamarihana ny faha-10 taonany

SOMAROHO OCEAN INDIEN: Hiavaka ny fanamarihana ny faha-10 taonany

SOMAROHO OCEAN INDIEN: Hiavaka ny fanamarihana ny faha-10 taonany
juillet 11
18:46 2023

Tsy ho latsa-danja amin’ny Festival Somaroho isan-taona ny amin’ity taona ity. Vonona ny hanome fahafaham-po ho an’ny mpakafy ny tarika Wawa mandritra ny Somaroho 2023 izay nampitondraina ny anarana hoe: « Somaroho Océan Indien » izay hotanterahina 02 ka hatramin’ny 13 Aogositra ho avy izao ao Nosy-Be Hell Ville. Amin’io ihany koa no hankalazana ny faha-20 taonan’ny tarika Wawa. « Ho fisaorana ny mpankafy nandritra izay taona maro izay, mbola mitohy hatrany ny lalao tombola izay hahazoana fiara 4*4 BT 50, moto, bisikleta sy loka maro samy hafa. Fa ankoatra izay, mandray anjara avy hatrany amin’ny lalao ihany koa ireo manjifa ny tapakila amin’ny vidiny 12.000 ariary », hoy ny mpanakanto Wawa nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Campus Telma Andraharo ny alatsinainy lasa teo. Mpanakanto fanta-daza amam-polony no hanafana ny lanonana mandritra ity hetsika ity. Isan’ireo Ambasadaoron’i Telma handray anjara amin’izany i Denise, Lyco Kininike sy i Dadi Love. Ankoatra ny artista malagasy, ho avy amin’ny Somaroho Océan Indien ny avy any ampitan-dranomasina toa an’i Says’z avy ao Frantsa, Zily ao Mayotte, Alain Ramanisum sy Goulam avy atsy amin’ny Nosy Maorisy. Ao amin’ny kianja Ambivoanio avokoa no hitranga ny fampisehoana manomboka ny 03 Aogositra, ny 12 sy 13 kosa dia ao Djamanjara. « Someso 1.000 ariary monja dia mety ahazoana loka goavana, tafiditra anatin’izany ny fivahinianana maimaim-poana atolotry ny Telma mandritra ny Somaroho 2023. Ny 21 Jolay hoavy izao kosa no hanatanterahana ny fisarihana manaraka izay mivantana eo amin’ny pejy facebook Telma hatrany », hoy i Riantsoa Rabefitia, tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma Madagascar. Hisy tranoeva ihany koa ahitana ireo tolotra Telma sy M’Balik amin’io fotoana io, vokatra izay azo avy amin’ny herin’ny masoandro.

M.R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930