Madatopinfo

 Flash Info

KMF/CNOE : HO AMIN’NY FIFIDIANANA ANDRAISAN’NY REHETRA ANJARA, MARINA KA HITONDRA FITONIANA

KMF/CNOE : HO AMIN’NY FIFIDIANANA ANDRAISAN’NY REHETRA ANJARA, MARINA KA HITONDRA FITONIANA

KMF/CNOE : HO AMIN’NY FIFIDIANANA ANDRAISAN’NY REHETRA ANJARA, MARINA KA HITONDRA FITONIANA
août 24
17:46 2023

Ireo tolokevitra naroson’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena ho an’ny fanentanana sy ny fanarahamaso mandritra izao zotram-pifidianana izao dia nahazoany fanohanana ara-bola avy amin’ny UMass Boston-U.S sy Department of State, ny Développement et Paix ary ny Organisation Internationale de la Francophonie.
Ny tetikasa izay nahazoana tantsoroka ara-bola avy amin’ny UMass Boston-U.S, Department of State, “Malagasy Youth Engagement in the Electoral Process” (MYEEP) dia mikatsaka ny fampitomboana sy fanatsarana ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Izany dia tanterahin’ny fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena miaraka amin’ny ONG Tolotsoa, Liberty 32, ONG Tokotany Iraisana, ALJM Farafangana. Nanomboka ny volana Mey teo hatramin’ny Septambra ho avy izao ity tetikasa MYEEP ity izay ikatrohana amin’ny distrikan’ny Soavinandriana sy Farafangana ary Antananarivo Renivohitra.
Manomboka izao kosa ary haharitra taona iray ny tetikasa tohanan’ny Développement et paix ara-bola mahakasika ny: “ Fanentanana ho fampandraisana andraikitra ny olompirenena lahy sy ny olompirenena vavy mandritra ny zotram-pifidianana”. Distrika 12 eto Madagasikara no ikatrohan’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena amin’izany : Ikalamavony, Nosy Be, Ihosy, Toliara I, Toamasina I, Maintirano, Mahajanga I, Morondava, Manakara, Fianarantsoa ary Tsiroanomandidy.
Tanjona ny hampitombo sy hanatsara ny kalitaon’ny fandraisana anjara ny olompirenena amin’ny fifidianana ka hanekeny ny vokatry ny fifidianana ho avy amin’ny safidiny malalaka tsy nisy teritery ho amin’ny fanoavana na « Légitimité » ny mpitondra izay ho lany manaraka eo.
Olona 6 000 farafahakeliny ka ny vehivavy ny antsasamanilany no kendrena ho voakasiky ny tetikasa ho an’ny fifidianana Filohampirenena ary 20 000 ho an’ny fifidianana kaominaly. Mpikambana KMF/CNOE- Fanabeazana olompirenena miisa 191 no hahetsika amin’izany.
« Ho fangaraharahan’ny Fifidianana eto Madagasikara », io no tetikasa fanarahamaso ny fifidianana izay tanterahin’ny KMF/CNOE- Education des citoyens, tohanan’ny Organisation internationale de la Francophonie. Ity tetikasa ity izay hampandrosoana sy hanatsarana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika mba hahomby sy eken’ny besinimaro dia manomboka ny volana Jiona hatramin’ny Desambra 2023, amin’ny distrika 50 manerana ny Faritra 23 ka ikatrohan’ny mpanaramaso fifidianana 500 isa amin’ny andron’ny latsabato.
Fanaraha-maso ny zotram-pifidianana
Efa nanomboka omaly faha 23 aogositra 2023 ny fisokafan’ny fametrahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo olompirenena maniry sy mahafeno fepetra ho mpifaninana hiatrika ny fifidianana ho Filoham-pirenena. Mbola manao antso avo hatrany ny fikambanana mba hifampiresahan’ireo izay mitovy firehana, izany dia hikendrena ny fanatsarana ny kalitaon’ny safidin’ny olompirenena indrindra ireo any ambanivohitra lavitra any izay marihina fa maro an’isa amin’ny malagasy.

Lisi-pifidianana
Manao antso avo ny fikambanana mba hilazan’ny CENI tetiandro hamoahany ny lisitra farany izay tsy ho kitihina intsony ka hiatrehana ny fifidianana Filoham-pirenena. Ny fanaraha-maso farany izay natao dia mbola nahafantarana fa nisy naoty navoaka avy ao amin’ny CENI Foibe naniraka ny rantsamangaikany eny anivon’ny CED mba hangataka amin’ny Tribonaly ambaratonga voalohany ny hamoaka didy, fantantsika amin’ilay fiteny hoe « ordonnance » mba hahafahany mampiditra ireo olona voaisa tamin’ny fotoana nanaovana izany fa tsy mbola tafiditra ao anatin’io lisitra io (OMIS) noho ny fahataran’ny fahatongavan’ny carnet mirakitra ny fanoratana azy ireo teny amin’ity rafitra mpikarakara ny fifidianana ity. Narahina lisitra izany fanirahana izany ary naterina teny amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany.
Fanontaniana mipetraka dia ny hoe : « Lalàna inona no ahafahana manao izany ?» Satria mazava ny voalazan’ny lalana fehizoro mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevibahoaka mahakasika izany ao amin’ny andininy faha-21 hatramin’ny faha-27 izay mbola nohamafisin’ny didim-panjakana momba ny refonte. Ny andininy faha-4 amin’ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy teo koa dia manamafy ny fampiasana ny rejisitra nasionaly mirakitra ny isan’ny mpifidy nofaranana tamin’ny 20 jolay 2023.
Mampiteraka ahiahy ny amin’ny fahamatoran’ny fikirakirana ity lisitra ity izany. Etsy ankilany dia fantatra fa mbola misy ihany ny fikitihana ity lisitra nolazaina fa nofaranana ity mba hamaliana ireo fanakianana sy fanatsarana notakian’ireo mpitsirika avy amin’ny OIF sy ny teratany Malagasy. Ny Filohan’ny CENI anefa nilaza fa tsy hisy fiovana ny totalin’isa izay navoakany tamin’ny famaranana farany. Mbola manjavozavo araka izany ity resaka lisitra ity koa manainga ny CENI hitondra fanazavana marina mahakasika izany.
Fanovana ireo rantsamangaikan’ny CENI
Ny Fikambanana KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena dia resy lahatra fa tsy mahasoa ny firenena ny fanesorana olona raha tsy misy antony manokana hita fa hanohintohina ny zotram-pifidianana. Hiteraka resa-be hampiahiahy ny amin’ny tohin’ny zotram-pifidianana io fanavaozana io raha misy fitsofohana mpanao politika fantatry ny rehetra anefa hatolotry ny fikambanana izay mety tsy nandray anjara amin’ny zotram-pifidianana akory.
Tsy manala ny fahefan’ny CENI hanavao ny ratsamangaikany ny fikambanana fa kosa misintona lakolosy amin’ny mety hisian’ny tsindry politika ao ambadik’izany.
Farany, ny Fikambanana dia manentana hatrany ny olompirenena vanona rehetra mba hanamafy ny fanaraha-masony sy ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny zotra-pifidianana ka ho sahy hitoroka ireo zava-misy marina hita eny ifotony izay heveriny fa hanohitohina ny fanatontosana fifidianana marina sy mangarahara ary eken’ny rehetra sy hitondra fitoniana.
Haja Nirina

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031