Madatopinfo

 Flash Info

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA 2023: Nilaza ny fahavononany ho kandida i James Rasoamaka

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA 2023: Nilaza ny fahavononany ho kandida i James Rasoamaka

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA 2023: Nilaza ny fahavononany ho kandida i James Rasoamaka
août 10
07:05 2023

Afaka telo volana eo ho eo dia hiroso amin’ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena ny vahoaka malagasy. Hatreto, mbola ankavitsiana no nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiana. Ho an’ny Antoko MTM na Mamiko ny Taniko Madagasikara, ny Filohany Rasoamaka James Andriatsihety no harotsany ho fidiana mandritra izany. Ny talata 9 Novambra teny amin’ny Espace Jeanni Soavinimerina no nanambarana ofisialy izany. « Vonona ny tenako sy ireo mpiara-miasa akaiky ahy na eto an-toerana na any ivelany hiantsoroka ny adidy goavana hanarina ity firenena ity ka hametraka ny taratasy rehetra ahafahako milatsa-kofidiana ny 9 Novambra 2023 », hoy i Rasoamaka James nandritra ny lahateniny. Nambarany fa noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra nifandimby sy ny adilahy politika no nahapotika tanteraka ny firenena na teo amin’ny lafiny sosialim-bahoaka izany na ihany koa toekarena. Voalazany fa nandritra ny fidinana ifotony izay efa notanterahany no nahafantarany izany ary nanosika azy kandida. « Tonga ny fotoana, feno ny fepetra handraisan’ny tsirairay ny adidy aman’andraikiny tandrify azy avy hanavotana ity Nosy ity ary tsy ekena intsony ny fisian’ny tany lavitr’andriana sy ny ganaovana tantely hafadrakotra ny harem-pirenena », hoy hatrany ity ho kandida Filoham-pirenena ity. Fiovana mahery vaika no handrandrainy, hamerenana ny hasin’ny tany sy ny vahoaka malagasy. Takian’ity Filohan’ny antoko MTM ity ny ho vahoaka vonona sy vanona hanatanterahana izany fiovana goavana izany. Namaranany ny lahateniny kosa ny hafatra ho an’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, « miandrandra fifidianana matotra, madio sy milamina ary eken’ny rehetra ny Mamiko ny Taniko Madagasikara mandritra ny fifidianana izay hotontosaina ». Tsiahivina hatrany fa ny datin’ny 9 Novambra no hanatanterahana ny fihodinana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, raha ny 20 desambra kosa ny fihodinana faharoa.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930