Madatopinfo

 Flash Info

FILOHA LEFITRY NY CFM: Manao antso avo amin’ny malagasy rehetra handala ny soatoavina

FILOHA LEFITRY NY CFM: Manao antso avo amin’ny malagasy rehetra handala ny soatoavina

FILOHA LEFITRY NY CFM: Manao antso avo amin’ny malagasy rehetra handala ny soatoavina
février 03
05:51 2021

Manana anjara toerana lehibe eto amin’ny firenena ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM. Noho izany dia tsy mitsahatra ny mitondra ny anjara birikiny izy ireo ny amin’ny fisian’ny fitoniana sy filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena indrindra amin’izao fihanaky ny valanaretina Covid-19 sy ny fiakaran’ny vidim-piainana ary fifandrafiana ara-politika mitranga eo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra izao. Nanambara ny Filoha Lefitry ny CFM, Gérard Ramamimampionona nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety fa tsy fotoanan’ny zarazarao anjakana intsony izao fa tokony hifampihaino ny rehetra mba hisorohana ny olana hitranga eto amin’ny firenena. Nanamafy ihany koa ny tenany fa tsy vahaolana ny fitarihana olona hidina an-dalambe hanao fitakiana sy ny hafa fa maro ny sehatra azo hanaovana izany. « Manao antso avo amin’ny malagasy rehetra tsy ankanavaka ny tenako mba handala ny soatoavina toy ny fihavanana, ny fahamarinana sy ny fifanajana tanteraka. Ankoatra izay dia tokony hampiseho toetra mendrika ihany koa ny mpanao politika », hoy ny Filoha Lefitry ny CFM. Isan’ny sakana mahatonga ny korontana mantsy, hoy izy, ny famerimberenana ny zavatra tsy nety teto amin’ny firenena zary lasa fomba fanao, eo ihany koa ny fitiavam-bola aman-karena ary fitiavam-pahefana tafahoatra. Ny CFM moa dia mijoro ho tsy miandany hatrany ary mahatoky ny fahendren’ny malagasy tsivakivolo.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930