Madatopinfo

 Flash Info

BEN’NY TANÀNA ANTANANARIVO: Nidina ifotony teny Anosibe, Namontana, Ambilanibe ary Analakely

BEN’NY TANÀNA ANTANANARIVO: Nidina ifotony teny Anosibe, Namontana, Ambilanibe ary Analakely

BEN’NY TANÀNA ANTANANARIVO: Nidina ifotony teny Anosibe, Namontana, Ambilanibe ary Analakely
juin 11
08:46 2020

Teny amin’ny Tsenan’Anosibe no nanombohan’ny Ben’ny Tanàna Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina sy ny delegasiona niaraka taminy ny fanatanterahana ny fidinana ifotony ny alarobia 10 Jona nanomboka tamin’ny 10 ora maraina. Nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny olona teny an-toerana ny Ben’ny Tanàna nandritra izany indrindra fa ny mahakasika ny fandaminana eny anivon’ny tsena amin’ny ankapobeny sy ny herinaratra ary ny fotodrafitrasa hapetraka eny. Raha nanontany ny mety ho fandravana tsena eny Anosibe kosa ny mpanao gazety dia novalian’ny Lehiben’ny Tsenan’Anosibe, Marcellin Randrianambinina fa tsy mbola misy aloha hatreto ny atontan-taratasy voarain’izy ireo manambara mikasika izany ary tsy mbola misy ihany koa vinavina ny hanatanterahana izany.
Vita ny tao amin’ny Tsenan’Anosibe dia nihazo an’i Namontana indray ny Ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany nijery ny zava-misy teny an-toerana avy eo nankeny Ambilanibe nitafatafa tamin’ny mpisehatra sy mpandraharaha eo amin’ny lafiny « bamboo ». Raha ny resaka niarahana tamin’ny Filohan’ny fikambanana eo anivon’io toeram-pivarotana io dia fantatra fa misedra olana tokoa izy ireo amin’izao fotoana izao satria noho ny fisian’ny valanaretina « coronavirus » dia nihena ihany koa ny mpanjifa ny entana vokarin’izy ireo ka miteraka fatiantoka iray lavaka. Isan’ireo olana goavana hatrehan’izy ireo ihany koa hoy izy ny toerana hivarotan’izy ireo satria raha teny Ampefiloha, toerana tena ifamezivezen’ny olona maro sy mora hita izany teo aloha dia nafindra teny Ambilanibe ankehitriny.
Tsy nijanona hatreo ny fidinana ifotony notanterahana omaly io fa mbola nitohy avy hatrany teny Analakely sy ny manodidina izany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930