Madatopinfo

 Flash Info
  • MVOLA SY VOILADOC : Miara-miasa ho fisitrahan’ny malagasy tolotra ara-pahasalamana azo antoka Isan’ny zo fototry ny olona tsirairay ny fahasalamana, noho ny tsy fahampiana sy ny halaviran’ny toeram-pitsaboana amin’ny toerana sasany anefa dia maro ny olona indrindra any ambanivohitra no tsy misitraka...
  • FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena Tanjon’ny orinasa Malagasy M.A.MA (Mutuelle d’Assurance MAlagasy) ny hametrahana fitokisana eo amin’ny samy mpikambana tsirairay ao anatin’ny Fikambanam-piantohana ho amin’ny fitantanana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena, raha...
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...

AMBATOVY MORAMANGA. FAMERENANA NY ALA VOAJANAHARY : Mananika ny 60 ha ny velaran-tany voatrandraka voavoly hazo

AMBATOVY MORAMANGA. FAMERENANA NY ALA VOAJANAHARY : Mananika ny 60 ha ny velaran-tany voatrandraka voavoly hazo

AMBATOVY MORAMANGA. FAMERENANA NY ALA VOAJANAHARY : Mananika ny 60 ha ny velaran-tany voatrandraka voavoly hazo
août 18
09:44 2022

Mitombo hatrany ny hafainganam-pandehan’ny fandrakofana ala ireo toerana voatrandraka ao amin’ny faritra fitrandrahana Nickel sy Cobalt Moramanga, raha ny fanambaran’ireo mpiantsehatra amin’ny tontolo iainana eo anivon’ny orinasa Ambatovy. Nandritra ny fitsidihin’ny mpanao gazety tao Moramanga, ny alarobia 10 Aogositra teo no nahazoana ny fampitam-baovao. Mbola maharitra amam-polontaonany maro ny ho fitrandrahana ka ny enim-polo hekatara amin’ny 1 700 ha no efa rakotra ala sy bozaka aman’ahitra.
Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa ankoatra ireo hazo vaventy izay an’ny Fanjakana Malagasy, natao zezika nafangaro poti-tsakafo avokoa ireo ravin-kazo sy kirihitra ary hazo madinika tamin’ireo velaran-tany notrandrahana. Natoby tamina toerana voatokana ireo ranontany miaro taroka ambony indrindra ary naverina amin’ny laoniny ka narakotra ireo velaran-tany voavoatra. Ireo vato sy tany voasivana nakana ny fotaky ny nickel sy cobalt no hamoronana izany lohasaha sy tendrombohitra hambolena hazo izany, izay vita drafitra mifanaraka amin’ny voajanahary. Voalaza fa marindrano sy fidinana mandry amina 18° latsaka no volena hazo. Ireo hantsana kosa volena bozaka aman’ahitra. Tazonina amina harato vita amin’ny voanio ny ranontany ka tondrahana sy hamafazana ambioka ana ahitra ireny hantsana ireny avy eo.
Manaraka ny fenitra voajanahary sy iraisam-pirenena ny fizotran’ny fitangosana hatramin’ny fambolena ireo ambioka. Mandalo amin’ny toerana fanamainana ny voa, afafy na tehirizina, ambolena anaty tavy sy taninketsa ary afindra amin’ireo toerana sahaza izany. Voalaza fa tsy ahitana voankazo fihinamboa sy andramena tamin’ireo toerana ka tsy mamboly izany ny mpamboly hazon’Ambatovy.
Hazo sarobidy
Aminarivony ireo karazana ahitra sy hazo volena amin’izany, anisan’ny misongadina amin’izany ny hazo ala sarobidy tahaka ny voamboana, ny ôrkidea, ny karazana ravin-kazo na tapakazo fanao fanafody. Miaiky ireo teknisianina fa mora lavitra ny fanomanana sy ny fambolena ny hazo raha mitaha amin’ny fikolokoloana sy ny fanarahamaso ireo voavoly mandram-paha lehibeny. Hita fa mifanohitra amin’izany ny politikan’ny fambolen-kazo. Andro iray zary lasa fitsangatsanganana sy fakana sary ny andron’ny fambolena hazon’ny fanjakana. Ny lavaka fanatsatohana zara raha vita fa vitsy no mahatratra ilay 40x40x40sm ary mielanelana 1m. Tsy misy manondraka na mihava izany aty aoriana.
Akoatran’ny fambolen-kazo, anisan’ny fanajana ny tontolo iainana ihany koa ny toerana fanavahana na fandorana ireo fakon’Ambatovy. Ny fanadiovana ny rano avy nandalo fitrandrahana na ny fisotro madio, ny fizoran’ny fantsona ambanin’ny tany mitondra rano avy any Mangoro na ny fotaka ihazo an’ny Toamasina dia manaraka ny fenitry ny tontolo iainana avokoa. Ny fanajana ny karazam-pitsipika aman-dalàna sy ny maha-olombelona tanterahin’ireo mpampiasa sy mpiasa an’Ambatovy dia anisan’ny mandravaka sy mampite-honina amin’ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina ao amin’ity orinasam-pitrandrahana nickel sy cobalt ity.
Haja Nirina
Zaridaina ikolokoloana ireo voa sy zanakazo izay azo tamin’ireo toeram-pitrandrahana an’Ambatovy Moramanga.

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930