Madatopinfo

 Flash Info

« ORANGE SOLIDARITÉ DE NOËL » : Hopitaly 3 no nisitraka fanomezana maro

« ORANGE SOLIDARITÉ DE NOËL » : Hopitaly 3 no nisitraka fanomezana maro

« ORANGE SOLIDARITÉ DE NOËL » : Hopitaly 3 no nisitraka fanomezana maro
décembre 18
04:52 2020

Amin’izao ankatoky ny fety izao dia nitsidika hopitaly telo teto Antananarivo ny fikambanana Orange Solidarité Madagascar ny alarobia lasa teo tamin’ny alalan’ny hetsika antsoina hoe: « Orange Solidarité de Noël » izay fanao isan-taona. Ny Centre hospitalier universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona, ny Centre hospitalier de Soavinandriana ary ny Centre hospitalier universitaire Joseph Raseta Befelatanana no nosafidian’ny fikambanana tamin’izany. Nandritra ny fitsidihana, nisy ny fizarana fanomezana toy ny vatomamy sy boky ho an’ny ankizy tsaboina ao amin’ireo ivontoeram-pitsaboana telo ireo mba hampifalifaliana sy hankaherezana azy ireo indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Nanamafy ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Josie Randriambeloma fa zava-dehibe loatra ny fifampizarana sy firaisankina mandritra izao fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Ankoatra izay, nanolotra gel hydroalcoolique, maska ary fonon-tanana ho an’ny hopitaly ihany koa ity fikambanana ity ho fiaraha-mientana amin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 eto amintsika.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2025
L M M J V S D
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
262728293031