Madatopinfo

 Flash Info

MINISTERAN’NY VAROTRA: Hatomboka ny 1 Desambra ho avy izao ny « opération vidin’entana »

MINISTERAN’NY VAROTRA: Hatomboka ny 1 Desambra ho avy izao ny « opération vidin’entana »

MINISTERAN’NY VAROTRA: Hatomboka ny 1 Desambra ho avy izao ny « opération vidin’entana »
novembre 28
07:30 2020

Eo anelanelan’ny volana Desambra hatramin’ny Febroary no vanim-potoana fanararaotan’ny mpivarotra hampiakarana ny vidin’entana eny an-tsena indrindra ireo ilaina amin’ny andavanandro toy ny vary, menaka, lafarinina. Hampihatra fepetra hentitra ny eo anivon’ny Ministeran’ny Varotra miaraka amin’ireo fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa sy ny lehiben’ny tsena manoloana io trangana fanararaotana ataon’ny ankamaroan’ny mpivarotra io. Fantatra nandritra ny latabatra boribory niarahan’ny telo tonta teny Anosy ny zoma 27 Novambra moa ireo fanapahan-kevitra horaisina manoloana izany. Tapaka nandritra io fihaonana io fa hanomboka ny 1 Desambra ho avy izao no hametrahana ny takelaby ahitana teboka 4 mikasika ireo fihetsika eo am-piantsenana : ny fitakiana ny vidin’entana mazava, ny lafiny kalitao, ny fisian’ny « vignette » manamarina ny fitaovam-pandrefesana sy fandanjana ampiasain’ny mpivarotra ary ny fahafantarana ny teny misoratra eo amin’ny fonosana. Raha ny tapaka hatrany, apetraka amin’ny toerana rehetra manerana an’i Madagasikara ireo takelaby lehibe ireo fa tsy eto Antananarivo irery ihany akory. « Tanjona amin’ity hetsika opération vidin’entana iarahan’ny telo tonta manatanteraka ity ny mba hisorohana ny fanararaotana fampiakarana ny vidin’entana indrindra amin’ny vanim-potoana manakaiky fety tahaka izao ary indrindra koa ho firovana ny zo fototry ny mpanjifa », hoy ny Ministry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana, Lantosoa Rakotomalala.
Nanamafy ny Ministra fa tena ilaina ihany koa ny fiaraha-mientan’ny tsirairay mikasika ity fiovaovan’ny vidin’entana ity ataon’ny mpivarotra ity. Nohantitranteriny fa mbola manankery hatrany ny laharana maitso 034 30 812 34 izay ahafahan’ny mpanjifa manao fitarainana raha mahita trangan-javatra tsy mifanaraka amin’ny ara-dalàna izy ireo. Ny hetsika goavana « opération vidin’entana » kosa dia hitohy hatramin’ny volana Febroary 2021.

(Sary nindramina)

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031