Madatopinfo

 Flash Info

SALFA: Nahazo famatsiam-bola mitentina 265.000 euros avy amin’ny CBM

SALFA: Nahazo famatsiam-bola mitentina 265.000 euros avy amin’ny CBM

SALFA: Nahazo famatsiam-bola mitentina 265.000 euros avy amin’ny CBM
octobre 17
05:00 2020

Fahaverezan’asa sy fihariana, olana ara-panabeazana, tsy fisitrahana vatsy tsinjo sy tosika fameno, ireo no santionan’ireo fiatraikan’ny hamehana ara-pahasalamana amam-bolana maro nateraky ny valanaretina Covid-19 teo amin’ireo olona manana fahasembanana sy marefo. Mila fanohanana sy fitsaboana izy ireo ary izany no antom-pisian’ny soritr’asa antsoina hoe: « Fiaraha-monina mampiaty, matanjaka, maharitra, miatrika ny Covid-19 eto Madagasikara ». Ho fanatanterahana izany dia nisy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa teo amin’ny Sampana Loterana momba ny Fahasalamana (Salfa) sy ny CBM. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 16 Oktobra teny Andohalo ny fisian’io soritr’asa io. Voarakitra ao anatin’io fifanarahana io ny fanolorana sehatr’asa ho an’ireo olona manana fahasembanana sy ny fianakavian’izy ireo amin’ny alalan’ny fampitaovana toy ny EPI na fitaovam-piarovana, eo koa ireo kojakoja sy fanafody fanatanjahana izay haparitaka manerana ny tobi-pahasalamana miisa 9. Ankoatra izay, hampiroboroboana ihany koa ny fanabeazana mampiaty ary ny tohana ara-bokatra sy ara-bola iatrehana ny olana ara-toekarena. Manamafy izany ny Filohan’ny CBM eto Madagasikara, Lila Ratsifandrihamanana amin’ny hoe: « amin’ity tetikasa ity dia tsinjovina manokana ny olona manana fahasembanana izay misedra ny fahasahiranana tao anatin’izay vanim-potoana sarotra nandritra ny 7 volana teto amintsika izay. Ny CBM no manohana ara-teknika sy ara-bola mitentina 265.000 euros ary ny anivon’ny Salfa kosa no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana ny tetikasa ». Hatreto, faritra 5 no hiparitahan’ity tetikasa goavana ity: Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana, Boeny ary Atsimo Andrefana. Raha ny fanampim-panazavana hatrany, haharitra 27 volana ny tetikasa. Raha ny tarehimarika voaray indray dia miisa 2.000 mahery ny olona manana fahasembanana sy marefo no hisitra ity tetikasa ity hatramin’ny faran’ny taona 2022, ny 340 amin’izy ireo dia ankizy amin’ny ambaratonga voalohany hanaraka ny fampianarana ara-tambajotra, aman’arivony kosa ireo hisitraka ny fitsaboana ny areti-maso na sofina na koa fahasembanana ara-batana. Raha tsiahivina, tsy vao izao akory izao fiaraha-miasa eo amin’ny CBM sy ny Salfa izao fa efa nisy ny tetikasa andiany voalohany izay naharitra enim-bolana, nahatratra 60.000 euros kosa ny famatsiam-bola tamin’izany ary manodidina ny 2.000 ireo olona voakasiky ny soritr’asa.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031