Madatopinfo

 Flash Info

FANDAHARAN’ASA M’HETSIKA M’VOLA: Miisa 36 mianadahy ireo nahavita fiofanana ho « coachs » sy mpanentana ara-panatanjahantena

FANDAHARAN’ASA M’HETSIKA M’VOLA: Miisa 36 mianadahy ireo nahavita fiofanana ho « coachs » sy mpanentana ara-panatanjahantena

FANDAHARAN’ASA M’HETSIKA M’VOLA: Miisa 36 mianadahy ireo nahavita fiofanana ho « coachs » sy mpanentana ara-panatanjahantena
janvier 29
06:30 2021

Velirano laharana fahadimy an’ny Kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) ny fametrahana ny toerana ho an’ny tanora ahafahana mampiroborobo ny fanatanjahantena. Ho fanatrarana izany dia misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fondation Axian sy ny CUA amin’ny alalan’ny fandaharan’asa M’Hetsika Mvola. Nisy araka izany ny fampiofanana indroa miantaona ho « coachs » sy mpanentana ara-panatanjahantena ka ny Académie Nationale des Sports (ANS) no niandraikitra ny fampiofanana tamin’izany. Tsiahivina fa ny 21 sy 22 desambra 2020 ny ampahany voalohany tamin’ny fiofanana izay nanatanterahana ny « théorie ». Niompana tamin’ny fomba fananganana tetikasa, ny torolalana hanatanterahana ny hetsika, ny fomba fijery mpandraharaha, fitantanana hetsika, eo koa ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka nandritra izany. Ny tapany faharoa kosa dia ny fampiharana izay naharitra 4 andro, nahafantarana ireo teknikan’ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny.
Notanterahana ny alakamisy 28 janoary teny amin’ny Gymnase Couvert Mahamasina moa ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana ho mpanentana ara-panatanjahantena miisa 36 mianadahy. Notolorana mari-pahavitam-piofanana tsirairay izy ireo tamin’izany. Tonga nanotrona ny lanonana teny an-toerana ny Lefitry ny Ben’ny Tanàna CUA, nisolotena ny Ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina, teo ihany koa ny ekipan’ny Fondation Axian izay notarihan’ny Tale mpanatanteraka, Isabelle Salabert.
Nandritra izany dia nanambara ny Tale misahana ny Sampandraharaha misahana ny fanatanjahantena eo anivon’ny CUA, Rakoto Andriambalo Benjamin fa nofantenana tao anatin’ny Fikambanana ara-panatanjahantena teny amin’ny Boriborintany sy Fokontany izy 36 mianadahy nisitraka ny fiofanana naharitra 6 andro ireo. Afaka mandray anjara eo amin’ny sehatry ny lalao ara-panatanjahantena eto amintsika avy hatrany izy ireo aorian’izao fiofanana izao, hoy hatrany izy. « Ny fiaraha-miasan’ny Fondation Axian sy ny CUA amin’ny alalan’ny M’Hetsika Mvola dia mitohy hatrany izay haharitra dimy taona araka ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa nataon’ny roa tonta tamin’iny taon-dasa iny », hoy ny mpiandraikitra ny seraseran’ny Fondation Axian, Dina Rajemison. Nanamafy ihany koa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Mvola, Rina Ramiandrisoa fa isan’ireotaranja iray mampivoatra ny tanora eto Madagasikara ny fanatanjahantena ka izay no antony lehibe hanohanan’ny Mvola ity fandaharan’asa ity. Tsiahivina moa fa an’ny Fondation Axian ity fandaharan’asa M’Hetsika Mvola ity ary ny Mvola kosa no manohana ara-bola.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031