Madatopinfo

 Flash Info

GALANA MADAGASCAR: Hizara fanomezana ho an’ny fiara fitateram-bahoaka manerana ny Nosy

GALANA MADAGASCAR: Hizara fanomezana ho an’ny fiara fitateram-bahoaka manerana ny Nosy

GALANA MADAGASCAR: Hizara fanomezana ho an’ny fiara fitateram-bahoaka manerana ny Nosy
août 27
07:04 2020

5 volana mahery izay no niatrehan’i Madagasikara ny valan’aretina Covid-19. Iray tamin’ireo antony nanaparitaka io valan’aretina teto amintsika ny fiara fitateranam-bahoaka raha ny voalazan’ny Filoham-pirenena nandritra ny tafa nataony tamin’ny vahoaka Malagasy ny alin’ny alahady lasa teo. Raha tsiahivina, nandray fanapahan-kevitra ny amin’ny fanalefahana ny fihibohana manerana ny Nosy ny tenany na dia mbola mitoetra hatrany aza ny fahamehana ara-pahasalamana. Araka izany, efa miverina tsikelikely amin’ny andavanandron-piainany ny mponina ary ao anatin’izany ny fiverenan’ny fitaovam-pitateram-bahoaka miasa indray. Ho tohin’ny ady amin’ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus ary, dia mitondra ny anjara birikiny hatrany ny Galana Madagascar amin’ny alalan’ny fizarana maimaim-poana tavoahangina « gel hydroalcoolique » sy famendrahana malaky (désinfection expresse) ho an’ny taxi-be sy ny taxi-brousse. Araka ny fampitam-baovao voaray, mandritra ny 14 andro no hizarana izany ary izay rehetra manjifa solika manomboka amin’ny 50.000 ariary eny amin’ny tobin-tsolika Galana manerana ny Nosy dia hisitraka ireo fanomezana manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ireo avokoa. Izany no natao moa, dia harovana ny mpandeha sy hitsinjovana ny mpamily miaraka main’ny mpanampiny. Tsy sambany fa efa nisy ny hetsika maro notanterahan’ny Galana Madagascar nandritra izay fahamehana ara-pahasalamana izay, ohatra amin’izany ny famendrahana fanafody maimaim-poana ireo fiara sy môtô ary kamiao rehetra nanjifa solika teny amin’ny tobin-tsolika Galana rehetra. Ny volana Mai lasa teo, nisy ihany koa ny fizarana “gel hydroalcoolique” maimaim-poana ho an’ireo mpampily sy ny mpanampiny tonga nanjifa teny anivon’ny Galana teto Antananarivo nandritra ny roa herinandro.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031