Madatopinfo

 Flash Info

MPIASAN’NY CUA: Nahazo fitaovam-pitiliana mitentina 43.000.000 ariary avy amin’ny Star

MPIASAN’NY CUA: Nahazo fitaovam-pitiliana mitentina 43.000.000 ariary avy amin’ny Star

MPIASAN’NY CUA: Nahazo fitaovam-pitiliana mitentina 43.000.000 ariary avy amin’ny Star
juillet 27
06:00 2020

Ao anatin’ny ady goavana amin’ny fihanaky ny valan’aretina Covid-19 isika eto Madagasikara ankehitriny. Tsikaritra nandritra ny herinandro maromaro nisesy izay mantsy fa ny Faritra Analamanga no lasa ivon’ity areti-mandoza ity amin’izao fotoana izao. Manoloana izany indindra, ho fanohanana ny renivohitr’i Gasikara dia nanolotra fitaovam-pitiliana (TDR) miisa 1.500 ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny orinasa Star ny zoma 24 Jolay lasa teo. Ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no hisitraka ireto fitaovam-pitialana ireto, izy ireo izay misahana ny fampandehanan-draharaha tsy tapaka eo anivon’ny tanàna an’Antananarivo na dia eo aza ny fihibohana. Araka ny fampitam-baovao voaray dia mitentina 43.000.000 ariary na 10.000 euros ny totalin’ireo ireo fanomezana avy amin’ny Star ireo. Tafiditra ao anatin’ny paik’ady entina hanamorana ny fiatrehan’ity Kaominina ity ny fiatrehana izao olana ara-pahasalamana izao araka izany ireo tohana ara-pitaovana ireo ary ahafahana mandray an-tanana mialoha raha sanatria misy mpiasa mitondra ny tsimokaretina.
Notanterahana tamin’io fotoana io ihany koa ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny Tale Jeneralin’ny Star, Marc Pozmentier sy ny Ben’ny Tanàna an’Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina. Izao fihetsika izao moa no natao ho mariky ny fiaraha-miasa, fiaraha-mientan’ny roa tonta hatrany manoloana ny ady iombonana amin’ny valan’aretina Covid-19. Raha ny fantatra tokoa mantsy, tsy vao voalohany akory no nitondra ny anjara birikiny, nifarimbona ary nanolo-tanana amin’izao krizy ara-pahasalamana atrehatsika izao ny orinasa Star fa efa nisy teo aloha.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031