Madatopinfo

 Flash Info

FARITRA AMORON’I MANIA: Hohamafisina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

FARITRA AMORON’I MANIA: Hohamafisina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

FARITRA AMORON’I MANIA: Hohamafisina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo
juillet 10
07:04 2020

Tontosa tamin’ny alalan’ny « visioconférence » na ampitain-davitra ny alakamisy 9 Jolay lasa teo ny fifanaovan-tsonia fifanararaham-piaraha-miasa teo amin’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, Lucien Ranarivelo sy ny Solontenan’ny FAO, Talla Takoukam Patrice ary ny Masoivoho Japoney, SEM Youshihiro Hoguchi. Niompana tamin’ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izany fifanarahana izany ary ny vehivavy bevokoka sy ny zaza latsaky ny 5 taona ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania no hisitraka ity tetikasa hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ity. Haharitra 2 taona moa izany tetikasa izany.
Raha ny antontan’isa voaray, ny 55 isan-jaton’ny zaza latsaky ny 5 taona any an-toerana dia tratran’ny fahatarana eo amin’ny fitomboana avokoa izany hoe manodidina ny 60.000 isa. Hahazo tombony lehibe araka izany iny Faritra iny satria mahatratra 50.000 ny olona marefo no hiantefan’izany tetikasa goavana izany ka ny 2.500 amin’ireo dia reny bevohoka, ny 5.000 ny zaza latsaky ny 2 taona ary ny 1.000 kosa ny zaza mianatra an-tsekoly. Manamafy izany ny Ministry ny Fambolena amin’ny hoe: « nosafidiana manokana ny Faritra Amoron’i Mania noho izy voasokajy ho be olona marefo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Faritra iray ihany no hisitraka ity tetikasa ity mba ahitana sy ahazoana vokatra mafonja sy azo tsapain-tanana ». Araka ny fampitam-baovao hatrany, tohana ara-bola manodidina ny 1,4 tapitrisa dolara amerikana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka, ny Governemanta Japoney no hanatanterahana io fandaharan’asa izay haharitra roa taona io.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031