Madatopinfo

 Flash Info

KOPAKELATRA: Hanolotra famatsiana mitentina 20.000.000 ariary ho an’ny tetikasa mendrika indrindra

KOPAKELATRA: Hanolotra famatsiana mitentina 20.000.000 ariary ho an’ny tetikasa mendrika indrindra

KOPAKELATRA: Hanolotra famatsiana mitentina 20.000.000 ariary ho an’ny tetikasa mendrika indrindra
août 26
05:15 2020

Tetikasa sosialy miisa 48 no nandray anjara tamin’ny fifaninana mamorona tetikasa izay nokarakarain’ny « Kopakelatra ». Ankehitriny, roa amin’izy ireo izy ireo ihany no tafiakatra amin’ny dingana famaranana. Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny talata 25 Aogositra teny amin’ny Foiben’ny Star Andraharo ireo tetikasa 2 hiatrika ny famaranana ireo. Eo aloha ny tetikasa « Andao Company » izay mifantoka amin’ny fanamboarana fanaka vita amin’ny plastika voahodina. « Betsaka no mpanao fanaka eto amintsika saingy mbola tsy misy mpanamboatra fanaka miaro ny tontolo iainana vita amin’ny bararata sy plastika. Hampiseho ihany koa izahay fa afaka miroso amin’ny fampandrosoana maharitra ny malagasy », hoy i Zina Raminosona, solontenana mamolavola ny tetikasa Andao Company.
Voasafidy hiditra amin’ny dingana famaranana ihany koa ny tetikasa « Crédit carat » izay mirona amin’ny fanangonana fako azo havaozina. « Tavoahangy plastika iray dia ahafahana mahazo 100 crédit, raha tavoahangy roa kosa dia ahazoana 200 crédit ary toa izay hatrany », hoy ny fandresen-dahatra noentin’i Endrehina Andrianomanana, mpandray anjara ao amin’ny tetikasa Crédit carat. Ny Crédit carat voaangona araka izany dia ahafahana misitraka tolotra maro avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny fiofanana sy ny fijerena sarimihetsika. Araka ny fantatra, vokatsoa maro ho entin’ity tetikasa ity iray ity ary ohatra amin’izany ny fikajiana ny tontolo iainana, hiteraka fiovan’ny toe-tsaina ary hisitrahan’ireo tena sahirana ny fihariana vaovao.
Mandritra ny roa herinandro kosa no faharetan’ny fotoana ahafahan’ny olona misafidy izany amin’ny alalan’ny pejy facebook Kopakelatra ary izay mahazo ny « réactions » be indrindra amin’ireo tetikasa sosialy roa ireo no hibata ny amboara. Hifarana ny 7 Septambra ho avy izao amin’ny 10 ora sy sasany maraina moa izany fifidianana izany. Araka ny fampahafantarana hatrany, loka goavam-be no ho azon’ny mpandresy amin’ity fifaninana ity satria hahazo famatsiana mitentina 20.000.000 ariary avy amin’ny Kopakelatra, eo ihany koa ny fanarahana ny fanatanterahana ny tetikasany. Raha tsiahivina, tamin’ny taona 2019 no teraka ny Kopakelatra, tetikasa natokan’ny Star sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, ho fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fametrahana toeram-panangonana tavoahangy plastika.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930