Madatopinfo

 Flash Info

DADI LOVE: Voafidy ho isan’ireo ambasadaoro eo anivon’ny Telma

DADI LOVE: Voafidy ho isan’ireo ambasadaoro eo anivon’ny Telma

DADI LOVE: Voafidy ho isan’ireo ambasadaoro eo anivon’ny Telma
mai 28
18:04 2023

Manana ny lazany sy ny tanjany eo amin’ny fivoizana ny gadon-kira mafana i Dadi Love, mpanakanto malagasy anisan’ny be mpakafy eto Madagasikara. Voafidy ho ambasadaoro eo anivon’ny Telma ny tenany raha ny nampahafantarina ny zoma 26 Mey lasa teo teny amin’ny Campus Telma Andraharo.Efa nitety an’i Madagasikara i Dadi Love tamin’ny alalan’ireo hetsika fampisehoana izay nataony. Raha ny fandaharam-potoanan’ny tarika izay hiarahany amin’ny Telma, dia hotanterahana ny 21, 22 ary ny 23 Jolay ho avy izao mandritra ilay hetsika goavana antsoina hoe: « Festival Dona-be». Any Antsohihy, renivohitry ny Faritra Sofia no hanatontosana izany. « Mpanakanto mamiratra i Dadi Love, zanaky ny Faritra Sofia ihany koa ny tenany ka ny hanohanana azy ho reharehan’i Madagasikara no tanjona ka izay no isan’ny nahavoafidy azy ho ambasadaoron’ny Telma », hoy i Rado Ramaroson, tompon’andraikitra ao amin’ny Telma.
Hatreto, hira 30 no efa navoakan’ity artista ity ary mampanantena sahady izy fa mbola maro ny hira vaovao hivoaka ato ho ato. Ho an’i Dadi Love, tombony manokana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Telma ny fiparitahan’ny tambazotrany hahafahan’ny olona manaraka sy mankafy ny mozikany. Nohamafisiny hatrany fa any ambanivohitra lavitra any mahay ny hirany noho ny fisian’ny «connexion » Telma.
Tsiahivina fa ankoatra ny Dadi Love avy any Sofia, mpanakanto miara-miasa amin’ny Telma ihany koa i Wawa avy any amin’ny Faritra Diana, Lico Kininike ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana ary Shyn sy Denise avy any Atsinanana.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031