Madatopinfo

 Flash Info

ZETRA FESTIVAL: Hakotroka ny hetsika andiany voalohany ao amin’ny Espace Laza Ambatondrazaka

ZETRA FESTIVAL: Hakotroka ny hetsika andiany voalohany ao amin’ny Espace Laza Ambatondrazaka

ZETRA FESTIVAL: Hakotroka ny hetsika andiany voalohany ao amin’ny Espace Laza Ambatondrazaka
mai 18
16:32 2023

Diabe mirindra manodidina ny tanàna an’Ambatondrazaka hiarahana amin’ireo mpiangaly vakodrazana sy fikambanana maro samy hafa ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro no entina hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny «Zetra Festival » amin’ny andro voalohany. Manodidina ny 300 izy ireo no handray anjara amin’izany. Ny 24 sy 25 Jona hoavy izao no hanantanterahana ity hetsika andiany voalohany ity ao amin’ny Espace Laza Ambatondrazaka, raha ny nampahafantarina nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny alarobia teo teny amin’ny Campus Telma Andraharo. Isan’ireo mpanohana ofisialy amin’ny Zetra Festival rahateo ny Telma Madagascar. « Tanjona ny ahafahan’ny malagasy rehetra mahafantatra ny kolontsaina Sihanaka, ny zava-boaary sy ny vokatry ny taniny, ary ihany koa hanasongadinana ny asan-tanan’ny mponina Alaotra », hoy ny Talen’ny Zetra Festival, Nully Ratomosoa. Mandritra ny 2 andro, hisy ny fampisehoana goavana iarahana amin’ny mpanakanto malagasy fanta-daza sy artista avy any an-toerana. Ho an’ny andron’ny 24 Jona, hanafana ny lanonana ao amin’ny Espace Laza i Samoela, Olo Blaky, Fanah, Kayo 504, Pajou Testamèn. Ny andro 25 Jona kosa hiarahana amin’ny tarika Solomianadahy, Dassman, Joyce Mena, Gafunk, Simon sy Kotobe ary ny ray mpiahy ny hetsika, Jaojoby. Araka ny fanampim-panazavana nentin’ny tompon’andraikitra misahana ny serasera Zetra Festival, Nicole Faramalalaniaiko: « Vonona tanteraka ny fotodrafitrasa handraisana ny mpitsidika sy ny mpivahiny, ny lalana mankany rahateo efa vita. Ankoatra ny fampisehoana, hisy tranoheva miisa 30 ao an-toerana hoentina hampirantiana ny asa tanàna, fivarotana sakafo sy zava-pisotro isan-karazany ». Raha ny tapakila fidirana amin’ity hetsika ity indray, efa azo jifaina ao amin’ny Ticketplace amin’ny vidiny 6.000 ariary ny tapakila tsotra miampy fahana Telma, 50.000 ariary kosa ho an’ny VIP. Hisy moa ny tolotra « voyage organisé » homanin’ny mpikarakara, izay hiainga eto Antananarivo, manaraka ny seho sy ny hetsika rehetra amin’ny Zetra Festival arahina fitsidihana ny faritra arovana, ary ny fiverenana eto Antananarivo.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031