Madatopinfo

 Flash Info

ZAVA-PISOTRO « THB »: Hiova amin’ny endriny vaovao ny fonosana ivelan’ny tavoahangy

ZAVA-PISOTRO « THB »: Hiova amin’ny endriny vaovao ny fonosana ivelan’ny tavoahangy

ZAVA-PISOTRO « THB »: Hiova amin’ny endriny vaovao ny fonosana ivelan’ny tavoahangy
juin 06
08:13 2020

Isan’ny vokatra tena ankafizin’ny Malagasy ny zava-pisotro « THB » vokarin’ny orinasa Star indrindra rehefa misy fety sy fifaliana. Hiavaka ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-60 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena amin’ity taona 2020 ity satria hiova amin’ny endriny vaovao ny fonosana ivelan’ny « THB » amin’ny tavoahangy rehetra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny valan-dresaka natao ho an’ny mpanao gazety teny Antanimena izany ny zoma 5 Jona lasa teo. Ahitana famantarana ny faha-60 taonan’ny fahaleovantena ny tavoahangy « THB » 33 sy 50 ary ny 65 santilitatra izany endriny vaovao izany ary hiparitaka tsy ho ela eny amin’ny tranombarotra rehetra manerana ny Nosy. Nohamafisin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Star, Murielle Rakotomalala fa ny vidiny sy ny tsiron’ity zava-pisotro ity tsy miova fa ny endriny ivelany ihany no ahitana io fiovana io. Raha ny THB amin’ny « canette » indray kosa dia fantatra fa tsy miova ny endriny fa ny fonosana ivelan’ny « pack » izay ahitana « canettes » enina no misy io famantarana vaovao io. Hatramin’ny faran’ity taona ity araka izany no ahitana ity famantarana vaovao amin’ny endriny ivelan’ny tavoahangy THB rehetra ity araka ny fanampim-panazavana hatrany. Ny orinasa Star rahateo ihany koa efa tsy zoviana amintsika Malagasy amin’ny fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930