Madatopinfo

 Flash Info

FISOROHANA AMIN’NY FIHANAKY NY COVID-19: Efa hita amin’ny toeram-pivarotana maro ny « Lamina S.T.A.R »

FISOROHANA AMIN’NY FIHANAKY NY COVID-19: Efa hita amin’ny toeram-pivarotana maro ny « Lamina S.T.A.R »

FISOROHANA AMIN’NY FIHANAKY NY COVID-19: Efa hita amin’ny toeram-pivarotana maro ny « Lamina S.T.A.R »
août 24
06:30 2020

Samy manao izay ho afany avokoa ny rehetra amin’izao ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus eto amintsika izao, na ny fitondram-panjakana izany na ihany koa ireo sehatra tsy miankina. Raha ho an’ny Star manokana, ho fanamafisana hatrany izany ady iraisana izany dia nametraka paik’ady hentitra ny orinasa amin’ny alalan’ilay antsoina hoe: « Lamina S.T.A.R ». Raha ny fampitam-baovao voaray, eny anivon’ny mpaninjara zava-pisotro Star rehetra sy ireo mpiara-miasa aminy no hametrahana izany. Fepetra 4 mazava tsara araka izany no voarakitra ao anatin’ity « Lamina S.T.A.R » ity, hoy hatrany ny fanampim-panazavana: ny « S » dia midika hoe: « Sasa-tanana » izay tokony hampiharin »ireo toeram-pivarotana rehetra, ny « T » indray dia fanafohizana ny atao hoe: « Tazomina ny elanelana » indrindra eo amin’ny fipetrahana sy ny latabatra ahafahan’ny mpanjifa mitazona sy manaja ny elanelana, ny « A » kosa midika hoe: « Aro-tava » izay tsy maintsy hanaovan’ny mpiasa sy ny mpanjifa afa-tsy rehefa hisotro na hisakafo ihany, ary ny « R » kosa dia manambara « Rano miampy Javel » izany hoe tsy maintsy manadio isan’andro ireo fitaovana rehetra ao aminy ireo tompon’ny toeram-pivarotana ary mampihatra ny famendrahana rano sy javel.
Amin’izao fotoana izao, efa misandrahaka amin’ny mpaninjara zava-pisotro maromaro ny « Lamina S.T.A.R » ary hokendrena ny hanaparitaka izany manerana ny Nosy. Izany paik’ady izany no natao moa, dia hitsinjovana hatrany ny fahasalaman’ny mpanjifa sy ireo mpiara-miasa amin’ny Star indrindra amin’izao toe-java-misy eto amin’ny firenena izao. Ity orinasa ity ihany koa mantsy dia miezaka mikendry fatratra ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra efa napetraky ny fitondram-panjakana hatramin’izay volana maromaro nisian’ny valan’aretina Covid-19 teto Madagasikara izay.

Mickah

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031