Madatopinfo

 Flash Info

TELMA SY NY HETSIKA ARA-TSOSIALY: Nisitraka fitsidihana miavaka ny Akany Avoko Faravohitra

TELMA SY NY HETSIKA ARA-TSOSIALY: Nisitraka fitsidihana miavaka ny Akany Avoko Faravohitra

TELMA SY NY HETSIKA ARA-TSOSIALY: Nisitraka fitsidihana miavaka ny Akany Avoko Faravohitra
mars 13
05:18 2023

Nanatanteraka fitsidihana teny amin’ny Akany Avoko Faravohitra ny mpanakanto kalaza « Tayc » tamin’ny alalan’ny hetsika ara-tsosialy eo anivon’ny Telma Madagascar. Nisy ny fampahafantarana ny Akany tamin’izany, ny fomba fiasany sy ny fampandehanan-draharaha. Ny tolakandron’ny zoma 10 martsa lasa teo nialohan’ny fiakarana an-tsehatra teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina no nanatontosana izany. « Zava-dehibe ho an’ny akany ny fisian’izao fitsidihana izao na dia fotoana fohy ihany aza, satria mahatsapa izahay fa tsy irery fa misy mahatsiaro hatrany », hoy ny mpiandraikitra voalohany ao amin’ity ivontoeram-pitezana ity, Faraniaina Hery Fanomezantsoa.
Nandritra izany no nanoloran’i Tayc fahatsiarovana ho an’ireo ankizy beazina izay nahavita fiofanana. Notolorany tapakila fidirana amin’ny fampisehoana eny amin’ny Palais des sports ihany koa izy ireo ho mariky ny fandalovany tao amin’ny Akany Avoko Faravohitra. « Faly izahay satria tsy nampoizina ny nanomezana anay tsirairay tapakila ho an’ny fampisehoan’i Tayc. Mahatsiaro manana zoky sady raiamandreny ny akany ary isaorana ny Telma mpikarakara ity hetsika ity », hoy ny solontenan’ny ankizy beazina ao amin’ny akany. Tsiahivina fa ankizivavy 9 ka hatramin’ny 17 taona miisa 50 no raisin’ny Akany Avoko Faravohitra an-tanana hatreto. Manohy ny fanabeazana ara-panahy, ara-batana sy ara-tsaina izy ireo mandritra ny fotoana hijanonany ao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930