Madatopinfo

 Flash Info

KANDIDA RIVOARISON RANDRIANASOLO : Hitondra rivo-baovao ho an’ny Oniversiten’Antananarivo

KANDIDA RIVOARISON RANDRIANASOLO : Hitondra rivo-baovao ho an’ny Oniversiten’Antananarivo

KANDIDA RIVOARISON RANDRIANASOLO : Hitondra rivo-baovao ho an’ny Oniversiten’Antananarivo
mars 29
08:15 2022

« Miaraka anaty fahasamihafana ho fampandrosoana ny Oniversiten’Antananarivo », io no teny filamatry ny Profesora Randrianasolo Rivoarison, kandida ho Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo. Tsiahivina fa ny 1 Febroary lasa teo izy no nanambara tamin’ny fomba ofisialy ary ny 15 martsa no nametrahany ny atontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Raha ny fampielezan-kevitra kosa, nanomboka tamin’ny 23 martsa 2022 izany ka hifarana ny 6 aprily. Nanohizan’ny kandida Profesora Randrianasolo Rivoarison ny fampielezan-kevitra ny alatsinainy 28 martsa ny teny amin’ny FLSH (Faculté des Lettres et Sciences Humaines) taorian’ny tany amin’ny faritra Vakinankaratra. Nohamafisiny hatrany fa hatao teny ierana sy hifampiresahana ny asa izay hotanterahana rehetra. « Mazava ny vina izay miompana amin’ny fametrahana ny maha-zava-dehibe ny mpampianatra mpikaroka, ny mpandraharaha ary ny mpianatra. Tsy afa-miala amin’ny teknolojia avo lenta ihany koa raha te ho sangany ny Oniversiten’Antananarivo », hoy ity kandida ity. Tsy zoviana amin’ny mpisehatra rehetra ao amin’ny Oniversite hirotsahany rahateo ny Profesora Randrianasolo Rivoarisonamin’ny maja olon’ny fifandraisana azy.
Ankoatra izay, nambarany fa vonona hijoro hitondra vahaolana, ary hampiasa ny fahaizany sy ny heriny rehetra ny tenany hampandrosoana ny anjerimanontolo. Azo lazaina ho tranainy ny fotodrafitrasa eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, eo ihany koa ny olana tsy fahampian’ny fitaovana entina miasa, ny tsy fahampian’ny olona, ny lafiny karama ary indrindra ny sehatry ny kalitaom-pampianarana sy ny voka-pikarohana ka manoloana izany, efa manana paikady mazava ny kandida Rivoarison Randrianasolo sy ny ekipany. « Raha hampiakatra ny voka-pikarohana dia tsy maintsy hampajakaina sy hitarina ary hatsaraina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy ara-bola. Azo heverina ho varavaran’ny fampandrosoana mantsy ny Oniversiten’Antananarivo », hoy hatrany ny kandida Profesora Randrianasolo Rivoarison. Ny 7 Aprily ho avy izao moa no hanatanterahana ny latsa-bato izay ho Filohan’ity Oniversite ity.

Mickah R.

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031