Madatopinfo

 Flash Info

ESTIIM’ : Nanokafana ny « cafe thé-matique 2022» ny lohahevitra mikasika sy adin’ny Ukraine sy Russie

ESTIIM’ : Nanokafana ny « cafe thé-matique 2022» ny lohahevitra mikasika sy adin’ny Ukraine sy Russie

ESTIIM’ : Nanokafana ny « cafe thé-matique 2022» ny lohahevitra mikasika sy adin’ny Ukraine sy Russie
mars 24
13:28 2022

Tsy mihonona fotsiny amin’ny taranja ratovona ao an-tsekoly ny mpianatry ny sekoly ambony tsy miankina ESTIIM’ (Engineering School of Tourism, Informatics, Interpreteship and Management), misy ihany koa ny tetikasa izay karakarain’ny mpianatra isaky ny sampam-pianarana tsirairay ka isan’ireo ny « café thé-matique ». Nanokafana ny andiany voalohany tamin’ity taona ity ny lohahevitra mikasika ny ady eo amin’ny Russie sy Ukraine izay notanterahana ny tolakandron’ny alarobia 23 martsa teo. Nitondra ny famelabelaran-kevitra nandritra izany i Joseph Randriamihaja, mpampianatra sady « diplomate » ; teo ihany koa ny Lieutenant-Colonel Rado Ramanantsahanina, Lehiben’ny sampan-draharaha eo anivon’ny ady amin’ny « cybercriminalité » ao amin’ny zandarmaria ; ary ny mpandinika ny Fifandraisana iraisampirenena, Hery Zo Andriamiarana. Voaresaka tamin’izany ny fiatraikan’io ady io eo amin’ny sehatra iraisampirenena sy ho an’i Madagasikara manokana, tahaka ny lafiny politika, ara-toekarena, ara-tafika. Naharitra ora 3 teo ho eo ny fifampizarana ary tena nahaliana ny tanora tokoa ity lohahevitra iray ity.

Navitrika nandray anjara ihany koa ny mpianatra na ny avy ao amin’ny ESTIIM’ na ireo mpianatra avy amin’ny sekoly ivelany. « Ankoatra ny haino aman-jery izay mampita vaovao ny ady eo amin’ny Ukraine sy Russie, tsara kokoa ny fifampizarana mivantana amin’ny alalan’ny cafe thé-matique mba hahafantaran’ny mpianatra ny zava-misy sy ny hahalan’izy ireo fa miteraka fiatraikany eto amin’ny firenena io ary izany indrindra no antony nisafidianana ity lohahevitra », hoy i Mirindra Randrianarisoa, mpianatry ny ESTIIM’. Tanjona, hoy izy, ny hivelaran’ny sain’ny mpianatra tsirairay, sy hanazarana azy ireo amin’ny fifandraisana ny amin’ny any ivelany ary hahay hikaroka. Niara-nifarimbona tamin’ny fikarakarana ity « cafe thé-matique » ity moa ny klioba 6 ao amin’ny ESTIIM’ : CDE, CDPE, Club Vintsy Railovy, CIE, CCE, ary ny CEE. Tsy hijanona hatreo fa hitohy hatrany ny « cafe thé-matique » isaky ny alarobia tolakandro ary hiovaova araka izany koa ny lohahevitra sy ny mpitarika ny famelabelaran-kevitra arahina ady hevitra. Ny ESTIIM’ izay tarihan’ny Tale Jeneraliny, Andrianadison, rahateo miezaka ny hampivoatra hatrany ny kalitao-mpampianarana ao aminy amin’ny alalan’ireo fandaharan’asa maro. Etsy amin’ny Immeuble CENAM 67 Ha Atsimo moa no foiben-toeran’ity oniversite tsy miankina ity ary ahitana sampam-piofanana : Droit, Diplomatie-Sciences politiques, Communication, Administration-Management, Commerce-Marketing, Tourisme-Hôtellerie-Environnement ary Informatique.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031