Madatopinfo

 Flash Info

ESTIIM’ : Mpianatra 141 mianadahy no nivoaka tamin’ny andiany « Manjaka »

ESTIIM’ : Mpianatra 141 mianadahy no nivoaka tamin’ny andiany « Manjaka »

ESTIIM’ : Mpianatra 141 mianadahy no nivoaka tamin’ny andiany « Manjaka »
décembre 22
16:29 2022

Nentina nankalazana ny ivon’ny faha-20 taona nijoroan’ny sekoly ambony tsy miankina ESTIIM’ (Engineering School of Tourism, Informatics, Interpretership and Management) ny famoahana ny andiany indraimihira « Manjaka ». Notanterahana teny amin’ny CCI Ivato ny lanonana ny alarobia 21 desambra lasa teo. 141 mianadahy izy ireo no nahazo ny mari-pahaizana DTS, Licence, Master 1 ary Master 2 nandritra ny taom-pianarana 2021-2022. Nampiavaka ity fotoana ity ihany koa ny fankasitrahana ireo mpiara-miasa, manana andraikitra eo anivon’ny ESTIIM’ tamin’ny alalan’ny fanolorana mari-boninahitra azy ireo. Ankoatra ny fianakaviamben’ny ESTIIM’, tonga nanome voninahitra ny lanonana teny an-toerana ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy Fikarohana ara-tsiansa. Nanatrika izany ihany koa ny Filohan’ny Fikambanan’ny Mpianatra maintimolaly na AEE’.
Tsiahivina moa fa ny marainan’ny alarobia 14 desambra lasa teo no nanatanterahana nanombohana ny faha-20 taonany teny amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina. « Efa namoaka mpianatra mihoatra ny 3.000 ny ESTIIM’ nandritra izay 20 taona izay. Mampiavaka azy ny ahafahan’ny mpianatra nahazo diplaoma miditra eo amin’ny sehatry ny asa arakaraka ny samampam-pianarana noratovony. Misy amin’izy ireo mitàna andraikitra ambony eto amin’ny firenena, manana ny orinasany mahaleontena na eto an-tanindrazana na any ivelany », hoy ny Tale jeneraly, Andrianadison Miandrasoa. Vonona ny hiatrika ny 20 taona ho avy ihany koa ny ESTIIM’ ary isan’ny vina amin’izany ny hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fampianarana, eo ihany koa ny fametrahana ny sekoly « doctoriale » sy ny fanitarana ny sekoly amin’ny alalan’ny fananganana ny fotodrafitrasa lehibe.
Ao amin’ny ESTIIM’ moa dia misy ireto sampam-piofanana 7 ireto : Droit, Diplomatie-Sciences politiques, Communication, Administration-Management, Commerce-Marketing, Tourisme-Hôtellerie-Environnement ary Informatique. Ny 5 amin’ireo kosa no ahitana ny fampianarana ampitain-davitra. Mitohy hatrany ihany koa ny fandraisana ho an’ireo tanora liana hanaraka ny fampianarana ao izay eny amin’ny « Immeuble CENAM 67Ha Sud » no misy ny foiben-toerany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930